Dossier

Famatsiana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro Ezaka maro no hotanterahina


  • Zoma 21 Jona 2019

Maro ireo dingana maro tokony hotanterahina amin’ny fampiroboroboana ny orinasa JIRAMA.

 

 

 Hisy mantsy ny tetikasa famatsiana herinaratra atao amina tokantrano maro isan-taona hiarahan’ny JIRAMA sy ny minisiteran’ny angovo, ny rano ary ny akoran’afo. Eo ihany koa ny fanampian’ny ADER izay misehatra bebe kokoa amin’ny famatsiana herinaratra any amin’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra ireo, misy ihany koa ilay tetikasa Johary izay nentina hitsinjarana ireo fitaovana hitrandrahana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro na Kits solaire miisa 110 000 eo no ho eo izay vitaina amin’ity taona 2019 ity. Ho fanampin’ireo dia tsy maintsy hapetraka amin’ity taona ihany koa ireo tobim-pamokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro heverina hamokatra eo amin’ny 5 MW eo ny iray, izany hoe 15 MW eo ireo toby miisa telo ka ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra no hisantatra azy voalohany. Hiarahana amin’ny orinasa TRYBA sy ny minisitera ity tetikasa ity ary omaly no tontosa ny fifanaovan-tsoaniam-piaraha-miasa teo amin’ny roa tonta teny Ampandrianomby. Tobim-pamokarana herinaratra 10 eo no hotratrarina mandritry ny 5 taona mba ho avo telo heny ny tahan’ny famokarana herinaratra eto Madagasikara. Tsy ireo ihany anefa ny tanjona, raha ny nambaran’ny minisitry ny angovo, ny rano ary akoranafo, Vonjy Andriamanga, fa eo ihany koa ny fametrahana ny vidin’ny herinaratra mba ho takatry ny Malagasy iray manontolo. Nambarany fa hametraka ny rafitry ny vidin’ny jiro vaovao izay mitovy sy mifandanja ny minisitera.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT