Dossier

Famatsiam-bola Hanamafy ny fanaraha-maso ny OMS


  • Alarobia 08 Mey 2019

Tsy manaiky ny fanodinkodinam-bola ho amin`ny vaksiny ny sampandraharahan`ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana (OMS). Hanamafy ny fanaraha-maso an`i Madagasikara izy ireo manomboka izao.

 

 

 

 Nilaza ny solontenan`ny OMS, Charlotte Faty Ndiaye fa mankasitraka ny fanaovana fanadihadiana ny tranga niseho teto Madagasikara farany teo. Nilaza ihany kosa izy fa hanamafy ny fiarovana amin`ny famindram-bola amin`ny maha mpiaramiombon’antoka azy ireo. Nohamafisiny koa ny fanohanana hatrany ny governemanta mahakasika ny ady amin`ny kolikoly. Etsy an-daniny, ny minisiteran`ny fahasalamana dia ho hentitra amin`ny fepetra horaisiny. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa amin`ny Fitsarana hisorohana ny fanodinkodinam-bola. Marihana fa efa maro ireo namelona lakolosy ny amin`ny tokony handraisana fepetra manoloana ny fihanaky ny valanaretina eto Madagasikara. Hisy zava-doza eto raha tahaka izany ny fitantanana isorohana ny valanaretina. Mitavozavoza ny fanjakana ary manjaka ny fanodinkodinam-bola sy ny kolikoly. Manjaka amin`ny sampandraharaham-panjakana hatrany ambony izany ary mitera-doza. Ahiana hampalailay fonosana ny mpamatsy vola ny tranga toy izao. Marihana hatrany fa tsenam-baro-panjakana tsy mazava mifandraika tamin’ny fividianana fitaovana fampangatsiahana tao amin’ny  sampandraharaha mikasika ny resaka vaksiny na ny DPEV (Direction de Programmation Elargie de Vaccination) io raharaha fanodinkodinam-bola amin`ny vaksiny io. Tetikasa novatsian’ny  GAVI na « Global Alliance for Vaccines and Immunization » vola.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT