Dossier

Famatsiam-bola avy any ivelany Mila fahaiza-mampiasa mba hisy vokany


  • Sabotsy 15 Desambra 2018

Tsy mbola mahaleotena i Madagasikara ary tena mbola firenena sokajiana ho marefo. Araka izany dia mila ny fanampiana sy ny fanohanana avy any ivelany, indrindra amin’ny lafiny famatsiam-bola.

 

 

70% amin’ny vola mihodina eto amin’ny firenena dia avy any ivelany avokoa. Araka izany, tsy maintsy miditra hatrany amin’ny fitrosana aloha i Madagasikara  saingy miankina amin’ny fampiasana sy ny fahaiza-manodina izany no hahatafavoaka. Ilaina ny fahaizana mikirakira sy mampiasa ireo vola azo avy amin’ny Tahirim-bola sy ny Banky Iraisam-pirenena. Nanambara ny filoha Marc Ravalomanana fa hatrany amin’ny fifampiraharahana (négociation), mitohy amin’ny fampiasana ny vola nindramina ary ny famerenana azy dia ilaina traikefa sy fahaiza-manao avokoa. Tsy ratsy ny mitrosa fa tokony ho tombony ho an’ny Malagasy raha mahay ny mpitondra fanjakana. 5 tapitrisa dolara be izao ny trosa nofafana fotsiny noho ny fahaizan’ny filoha Ravalomanana nifampiraharaha sy nandresy lahatra ireo mpamatsy vola tamin’ny taona 2005. Ilaina ny hafetsena fa tsy sanatria hanome tarazo sy hamela trosa ny taranaka faramandimby. Hahafahana manetsika tanteraka ny fandraharahana ny vola misy eo an-tanana satria iny ihany no mitera-bola avy eo. Ny azo ambara dia kapoakan’ny kandida laharana faha-25 tokoa ny sehatra fampiasam-bola, eny fa hatrany amin’ny fiandohan’ny fifampiraharahana. Fantatry ny Malagasy izany na dia misy hatrany aza ny sompatra sy fanaratsiana ataon’ny hafa, indrindra ny fakan-tahaka.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT