Ny toekarena dia miainga amin`ny harena voajanahary ao amina firenena iray izay ho entina hanaingana ny toekareny, ka anisan`izany ny toetr`andro sy ny toe-tany. Rehefa miresaka izany toetr`andro izany dia mitodika any amin`ny famatarana ny toetry ny andro ny saina, ary mibahana hatrany ny hoe maminavina ny maripana kanefa anisan`ny sehatra iray tsy azo ihodivirana amin`ny fampandrosoana izany.
Ny météo Madagascar dia ao anatin’ny fandaharan’asa « Cadre National pour les Services Climatologiques (CNSC) », ka maminavina ny hanaparitaka eo amin’ny sehatra nasionaly ny « Cadre Mondial pour les Services Climatologiques ». Ity farany, izay tokony hanampy amin’ny fahazoana bebe kokoa ny tolotra momba ny vinavinan’ny toetr’ andro eto amin’ny firenena. Izany rehetra izany no atao dia mba hahafahana maka fanapahan-kevitra ao anatin’ny sehatry ny “activités météosensibles”. Miisa 40 rahateo ireo ``zones topo-climatiques`` eto Madagasikara ary sampan-draharaha miisa telo no misahana izany famantarana toetry ny andro izany eo anivon`ny Ministeran`ny Fitaterana sy ny Famatarana ny toetr’andro. Mihamafy ny fiantraikan`ny fiovan`ny toetrandro ka miha-sarotra ny fandalinana. Miankina amin`ireny andraikitra ireny ny fampandrosoana ara-piarahamonina, ara-toekarena mba hampizotra sy hahatsara ny fiainan`ny olombelona maneran-tany.
Fahatelo maneran-tany lasibatry ny fiovaovan’ny toetr’andro
Raha ny tatitra voaray eo amin`ny iraisam-pirenena, dia Madagasikara no firenena fahatelo manana ranomasina mafàna indrindra maneran-tany ary efa hita soritra ny fiantraikan`izany vokatry ny ny fiovan`ny toetrandro ateraky ny lalam-pivoarana anaty voajanahary na avy amina faneriterena ivelany na avy amina fanovana maharitra ataon `ny olombelona eo amin`ny taharon`ny atmosfera na eo amin`ny fampiasana ny tany. Araka ny tatitry ny fikarohana natao dia miha-mihena ny fotoana ilatsahan’ny orana sy ny tahany. Eo koa ny fiakaran’ny maripana izay tsy dia fahita loatra teo aloha ary koa ny fahamafisan’ny herin’ny rivo-doza, na dia miha-vitsy aza ny isany. Araka izany dia mampanahy ny fivoaran’ny tahan’ny rotsak’orana ho amin’ny taona 2050 sy ny taona 2080 kanefa azo atao ny manarina izany fiovana izany. Voamarika kosa fa ny faritra Atsinanana no tena iharan’io fiovana io. Na izany aza dia mbola azo atao tsara ny mampihena sy manaisotra ny fiantraikan’ireo fiovan’ny toetrandro ireo raha toa ka miaraka mandray andraikitra ny rehetra hisorohana izany.
Azo havadika ho harena ny toetr’andro
Mifaningotra tanteraka amin`ny toetry ny andro sy toetr’andro ny fampivoarana ny sehatra maro samihafa eto amintsika. Tsy iadin-kevitra ny fiantraikan’ny toetr’andro amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona sy amin’ny fampandrosoana ny firenena. Ny azo antoka, azo hatao tsara ny mamadika ho harena ny toetr’andro, eny fa na dia ireo lazaina ho loza voajanahary aza dia ahafahana mahazo tombontsoa ho an’ny besinimaro rehefa hay ny mikirakira ny vaovao momba io toetrandro io. Ny toekarena amin`ny firenena iray dia saika miainga amin’ny harena voajanahary no hoentiny hanaingana ny toekareny, ka anisan’izany ny toetr’andro sy ny toe-tany , ny tany , ny rano , ny ranomasina , ny harena ankibon’ny tany sy ny maro tsy voatanisa . Ananan’i Madagasikara avokoa ireo saingy mandeha amin’ny tsy falehany ny fitantanana ka lasa hihomehezan’ny firenena any ivelany ny firenena Malagasy.
Mitaky asa saina goavana
Ilaina tokoa ny mpahay toetr’andro sy mpahay rano kanefa tsy fantatry ny besinimaro. Ny fampiasana fitaovana harifomba no hahafahan`ny mpamantatra ny toetry ny andro mandinika ny tranga sarobahana: mijery ny filaminana an’habakabaka, manampy amin`ny fanafoanana ny fahalotoan`ny rivotra iainana an-tanan-dehibe, mamolavola ny tetik`ady entina miady amin`ny fiovan`ny toetrandro, mandrafitra paikady no amin`ny fampandrosoana maharitra. Miara misalahy amin`ny sehatra maro ireo mpahay toetrandro sy mpahay rano; ohatra ireo sehatra mila ny vinan`ny toetr’andro, ny mpikaroka, ny orinasa tsy miankina , ny seranana, ny mpitandro filaminana, .... Tsy vitan`ny resaka siantifika sy teknika izany asa izany fa mitaky asa saina goavana toy ny fanovàna ho seho an-tsary ny tarehimarika sy tahirin-kevitra voaangona.
Mila finiavana ny fandalinana azy
Raha ny fianarana momba ny famantarana ny toetry ny andro sy ny toetr’andro no hasian-teny dia dimy taona aorian`ny fahazoana bakalorea siantifika ny faharetan`ny fianarana raha te ho tonga injenera mpahay ny toetrandro ary azo atao tsara no manohy hatrany amin`ny ``doctorat``. Eny ENEAM na “Ecole Nationale d`Enseignement de l`Aeronautique et de la Meteorologie” etsy Ivato no manatanteraka ny telo taona voalohany ary eny amin`ny ESPA Vontovorona no hamitana ny roa taona manaraka. Anisan`ireo toeram-piofanana 60 maneran-tany manomanana manam-pahaizana momba ny toetr”andro ankatoavin`ny Fikambananamben`ny iraisam-pirenena ny Mpamantatra ny toetry ny andro na Organisation Meteorologique Mondiale ny ESPA Vontovorona sy ny ENEAM. Maro ankehitriny ny firenena an-dalam-pandrosoana mangataka fiofanana lalina mifandraika amin`izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.