Raha toa ka avo roa heny ny fahafahana mampiasa aterineto natolotry ny orinasa Telma ny mpanjifa azy nanomboka ny jona 2018 teo dia hiakatra avo 3 heny indray izany amin’izao fiafaran’ny taona 2018 izao miaraka amin’ny tolotra 4G by telma sy ny Mvola,
raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Fepetra ahazoana ny tolotra, araka izany, ny fividianana izany amin’ny alalan’ny Mvola. Ny fividianana Telma net one month 2Go 25000 ariary, ohatra, dia ahazoana 6Go mandritry ny 1 volana. Dia toy izany koa ny an’ireo tolotra hafa toy ny Telma net one day sy one week. Mirary fety sambatra sahady ireo mpanjifa izahay, hoy ity orinasan-tserasera ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.