Maro ireo tetikasa hotanterahina ho fanatsarana ny famatsian-drano eto Andrenivohitra sy manerana ny Nosy tahaka ny hatao any Amoronakona sy Mandroseza.
Foto-drafitr’asa izay efa natomboka tamin’iny taona 2019 ho famahana ny olan’ny famatsiana rano no mbola hotohizana. Ho an‘ny famatsiana rano dia efa mananika ny 40% ireo tambazotra fitaterana rano eto an-drenivohitra no simba amin’izao fotoana. Antom-pisian’ny fifanaraham-piarahamiasa teo anivon’ny JIRAMA sy ny orinasa iray avy any Afrika Atsimo amin’ny fanavaozana ireo fitaovana mirefy 90 km. Ny tapak’ity volana janoary ity no vinavina fa ho atomboka ny andrana ny amin’izany. Ho an’ny famatsiana herinaratra kosa indray dia tohizana ny ady amin’ireo karazana halatra jiro, izay isan’ny mampitombo ny fatiantoka goavana eo amin’ny orinasa. Ny volana mey 2020 izao no ho tonga eto Madagasikara ny orinasa egyptiana izay hiompana amin’ny fananganana orinasa mpamokatra « compteur intelligent ». Izany tetikasa rehetra izany dia hinoana fa hitondra fiovana eo amin’ny tolotra hoan’ny mpanjifa sy ny fitantanana ny orinasa ary hahatanteraka ny fanambin’ny filoham-pirenena izay nilaza fa ao anatin’ny roa taona dia tsy maintsy hiarina ny orinasa JIRAMA. Efa maro ihany koa izay olona tompon’andraikitra nosoloina tao amin’ ity orinasam-panjakana ity ka antenaina hahatanteraka ny fanamby mba ho tombony amin’ny vahoaka Malagasy ireo am-perinasa ankehitriny.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.