Nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny hotely Ibis Ankorondrano ny fikambanana miasa ho amin’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny toekarena maintso (ADDEV Madagascar).
Taorian’izay dia nisy ny famelabelarana momba ny tetikasa “fanavotana” izay entina anampiana ireo vehivavy sahirana eny anivon’ny fokontany Ivandry, Andraharo ary Ankorondrano. Hatramin’izay 8 volana nisian’ny tetikasa izay dia 20 no vehivavy noraisina ary hiezaka hampiditra vehivavy miisa 250 afaka 2 taona. Ny andraikitr’ireo vehivavy ireo dia maka sy mivarotra ny fako tahaka ny taratasy, gazety, tavoahangy plastika misy eny anivon’ny orinasa eto Antananarivo. Araka izany dia manampy ireo vehivavy ireo amin’ny fanomezana asa ity tetikasa ity ary misy fiantraikany amin’ ny fidiram-bolany andavanandro. Etsy an-kilany, efa misy ny orinasa Ecologic Mada izay mividy ny fako ary manao ny fanavaozana sy fanodinana ny fako (recyclage) mba ho azo ampiasaina indray. Matetika dia avadik’izy ireo ho lasa fitoerana antontan-taratasy na fanariam-pako na zavatra hafa araka ny fangatahan’ny mpanjifa ny fako. Misy ihany koa ny fiaraha-miasan’ny ADDEV amin’ny Teach For Madagascar izay manome fampianarana mamaky teny sy manoratra ary teny vahiny ireo tena sahirana amin’ireo fokontany ireo. Mbola hijanona amin’ny fakon’ny orinasa ihany aloha ny tetikasa hatreto fa tsy mbola handray ny fako eny an-dalambe araka ny tatitr’i Ramatoa Fenosoa Ravelomanantsoa mpandrindra ankapobeny ny tetikasa fanavotana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.