Dossier

Fako eny amin’ny Hopitaly Azo ahodina ihany koa


  • Talata 04 Septambra 2018

I Madagasikara dia anisan’ny nandray anjara tamin’ny fifanarahana tany Stockholm niompana tamin’ny fiarovana ny fahasalamana sy ny tontolo iainana miainga amin’ny fampihenana ny fampiasana ny mercure.

 

 

Nisitraka ilay tetikasa fampidinana ireo etona manimba ny tontolo iainana sy ny mercure manimba ny fahasalamana isika. Ho fanatanterahana izany dia nisy ireo fitaovana marobe mitentina 325 000 dolara na 1 089 042 500 Ar nomen’ny tetikasan’ny Firenena Mikambana ho amin’ny fampandrosoana (PNUD) sy ny fanampiana ho amin’ny tontolo iainana maneran-tany (FEM) tetsy amin’ny HJRA Anosy omaly. Ny ankabeazan’ireo fitaovana ireo dia ireny fanariana fako ireny ary navahana mihitsy ireo karazam-pako ariana ao satria misy ny anariana ny sakafo, ny taratasy ary ny plastika. Rehefa izay dia lanjaina aloha ireo fako avy eo dia ahodina amin’ilay fitaovana lehibe fanodinana (autoclave) mahazaka hatrany amin’ny fako 50 kilao. Ankoatr’izay dia nisy ny fitaovana ara-pahasalamana tsy misy mercure nozaraina ka tonga nitsidika ny hetsika ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala Randriatefiarison Guillaume sy  ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka Rantomalala  Yoël Harinirina.

 Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT