Dossier

Fako aodina Aotrika an- taonany maro, vao lasa zezika


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Herintaona raha kely indrindra, ary folo taona raha ela indrindra ny fanakotrehina fako, izay vao lasa zezika, hoy ny fanazavana azo tamin’ireo mpanao zezika eny Andralanitra.

 

 

 

 

 Araka ny fanazavana azo teny an-toerana, dia aotrika ny fako, izany hoe potehina ny fako, vao lasa zezika tanteraka. Voalaza fa misy lavakabe hanariana fako toa ny ozinina eny Andralanitra, ka ny zavatra mora potika sy/na lo no hahodina ho lasa zezika. Manary fako voalohany ao anaty lavaka ny kamiaon’ny Samva, dia atosiky ny “buill” iny, dia tonga ny fanariana fako fanindroany, dia voatsindrin’iny fako voalohany iny, tonga ny fahatelo dia voatsindrin’iny ny faharoa, dia toy izay hatrany ny fako ariana ao anatin’io lavaka be io, izay havadika ho zezika. Manivana ny fako ahodina ho zezika koa io ozinina io, ka misy “grillage” amin’ny sivana. Misy koa ny “deuxième” sy “prémière qualité” izay mamoaka karazana zezika “Téro” na zezika “composte”. Ny fako toy ny sachet, vy, tavoahangy, vato, plastika dia tsy potika sady tsy lo ary tsy azo havadika ho zezika, hoy ny fanazavan’ireo mpiasa. Karazana orinasa telo, mampiasa olona no manao zezika eny Andralanitra, ka eo ny “Mada composte”, ny “Stoi” ary ny “Agrivet”. Manampy azy ireo koa ny tanora tezain’ny mompera Pedro, ka miisa 90 lahy izy ireo no manao io zezika io. Nambaran’izy ireo hatrany fa hambolena voninkazo, gazon, legioma … ny zezika vita eny Andralanitra. Ny kamiao iray dia mitaona zezika 5m3 ao anatin’ny iray andro, hoy ny fanazavana. Marihina fa tsy mandray karama ireto 90 lahy ireto fa izay zezika lafo no handraisan’izy ireo karama, araka ny fantatra hatrany.

Sitraka r.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT