Dossier

Fahefana mpanao lalàna Mahasolotena ny depiote ny senatera


  • Talata 15 Janoary 2019

Mihetsiketsika ny birao maharitra eo anivon`ny Antenimieram-pirenena amin`ny fanitarana fe-potoana farany hiasan`ireo depiote voafidim-bahoaka. Mazava anefa ny lalàna fa tapitra ao anatin`ny dimy taona ny fe-potoana hiasan`ny solombavambahoaka.

 

 

 Ny lalàmpanorenana dia mamaritra ny fe-potoana hiasana ary ny and.3 amin`ny lalàna 2018-010 izay mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka manokana dia manazava fa tapitra amin`ny fe-potoana izay nidirany niasa ireo solombavambahoaka. Tamin`ny taona 2014, nisy didy navoakan`ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana (CES) izay mitondra ny lah. 11 tamin`ny 06 febroary 2014 namoaka ny valim-pifidianana mahakasika ireo solombavambahoaka. Io no hiaingan`ny fe-potoam-piasana farany amin`ny 05 febroary misasakalina. Saingy misy kosa azo hitarina ny fe-potoana hiasana raha tsy misy lalàna hafa eo anelanelany ny andro androany hatramin`ny 05 febroary ka ny governemanta izay hijoro no afaka mamaritra izany raha tena ilaina ny solombavambahoaka. Kanefa ny fanendrena praiminisitra efa hotanterahina aorian`ny fianianan`ny filoham-pirenena vaovao ny 19 janoary ho avy izao.  Marihina fa nanomboka tamin`ny lalàmpanorenana novana tamin`ny taona 1998 no nipetraka ny Antenimierandoholona ary mbola nitohy foana tao anatin`ny Repoblika fahatelo sy fahefatra. Izy ireo dia mameno ny fahefana mpanao lalàna ka tsy misy ny fahabangan`ny Andrim-panjakana (vide institutionnel). 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT