Noho ny fifanarahan’ny eoropeanina momba ny fepetra fanomezana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia dia nanapa-kevitra ny hanavao ny drafitra momba ny fanakalozana fahazoan-dalana mitondra fiarakodia i Frantsa .
Rehefa nodinihina dia tsy mifanaraka amin’ny fenitra eoropeanina, izay azo adika avy hatrany fa tsy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena nampidirana ao anatin‘ny fitsipika manokana ny fomba fanomezana fahazoan-dalana mitondra fiara eto Madagasikara, ka dia tsy azo hatakalo intsony any Frantsa izany manomboka ny 31 martsa 2020.Tsy atao mahagaga izany satria ny antsika tsy azo antoka intsony ny biometrika. Tsy hay intsony izay tena marina. Fahazoan-dalana familiana fiara aza efa tsy atokisan'ny mpiara-miombon’ántoka antsika mainka fa famatsiambola ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.