Dossier

Fahavitan-tena ara-tsakafo Tsara avadika ho asa fa tsy atao kabary fotsiny


  • Zoma 14 Febroary 2020

Afaka tonga eto Madagasikara ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka fa mila omena sehatra aloha ny Malagasy tompon’ny tany izay tantsaha ny 85%.

 

 

 Mila karakaraina sy hetsehana mba hamokatra aloha izy ireo. Rehefa ireo mantsy no miraviravy tanana eo foana dia tsy hahavita tena ara-tsakafo izany mihitsy i Madagasikara fa ho lany vola hanafatra entana mandrakariva. Ankoatr’izay dia tokony ho jerevana ary vahana aloha ireo olana misy. Anisan’izany ohatra ny hetraketraky ny toetr’andro, ny fahasimban’ny tany izay miha matsatso hatrany. Amin’izany dia mila manao voly avotra ny firenena fa tsy mionona fotsiny amin’ny vary. Mila jerena akaiky ny resaka tondra-drano, ny tsy fahampian’ ny fotodrafitrasa tahaka ny fitsinjarana rano. Eo ihany koa ny tsy fisian’ ny fitaovana sy ny tsy fanofanana ireo  tantsaha. Misy fomba fiasa sy fampitana hevitra mila amboarina ihany koa satria matetika tsy mifankahazo resaka ny injeniera sy ny tantsaha dia tsy tratra mihitsy ny tanjona napetraka.

Miteny ny tarehimarika

Raha ny vary vokatra efa voafotsy isan-taona eto Madagasikara dia mahatratra 2 300 000 taonina. Ny vary hohanin’ny Malagasy anefa eo amin’ny 2 500 000 taonina isan-taona eo. Mila manafatra vary 210 000 taonina isan-taona izany. Rehefa izay dia mila mampitombo 30% ny voka-bariny ny tantsaha Malagasy dia ampy ny voka-bary eto. Rehefa tratra ny mihoatra an’ízay dia tanteraka ilay hoe afaka manondrana vary isika. Tsy sakana ny tany azo ambolena eto Madagasikara satria mahatratra 8 000 000 Ha izany ary ny tany voavoly hatramin’izao dia 2 600 000 Ha izay manome 31% monja. Araka izany dia tena mbola malalaka be ny firenena ary afaka mamboly vary amina velarana 100 000 Ha isika dia mahavita tena ara-tsakafo. Afaka zaraina amin’ny faritra 22 io dia mahazo 5 000 Ha avy. Raha tantsaha iray no mamboly amina tany 5 Ha ka tohanan’ny fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka izy ary atao misitraka ny fanofanana isan-karazany dia ho tratra ny tanjona. Olona 1000 isam-paritra izany no ilaina hiasa ary ho tratra ny vokatra hahavitan-tena ara-tsakafo.

Tsirinasolo

.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT