Ho hentitra hatrany ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra amin’ny fampiharana ny lalàna mifehy ny fiarovana ny zava-manan’aina sy ny tontolo iainanana,
hoy ny minisitra Alexandre Georget teny Ambatobe nandritra ny fotoana nanaovana ny fankalazana sy ny fitokanana ilay efitrano malalaka ho an’ny minisitera. Hatsangana ho fanaovana valandresaka sy hetsika fampirantiana mahakasika ny tontolo iainana ity efitrano ity. Fototry ny fahasimban’ny tontolo iainana ankehitriny ny olombelona amin’ny alalan’ny fanimbana ny zavaboary sy ny fandripahana ny zava-mananaina ao aminy. Ho an’i Madagasikara manokana dia anisan’ireo firenena nanao sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny zavaboary sy ny zava-mananaina, izy ny taona 1995. Nohamafisin’ny minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra izany ary mitohy hatrany, hoy izy ny politika fiarovana ny ala amin’izao fotoana izao. Tanjona hatrany ny hametrahana fampandrosoana maharitra ho lovain-jafy. Tsiahivina fa fiaraha-miasa tamin’ny GIZ sy ny masoivoho alemana no nahafahana nanavao ity efitrano notokanana ity.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.