Dossier

Fahapotehan’ny JIRAMA Iza anefa no tena tompon’antoka ?


  • Alarobia 27 Febroary 2019

Nalaza be indray tato ato ny orinasa JIRAMA. Nolazaina hoe orinasa tokony ary tsy maintsy miasa ho an’ny vahoaka.

 

 

 Nolazaina ihany koa fa hoe tokony hahazo tombony ny rehetra ary nisy hatrany ny fanambakana sy ny halatra mivantana atao amin’ny vahoaka hatramin’izay.  Mampanontany tena ny maro kosa hoe: fa angaha moa tsy mbola tarazon’ny fanapotehana tamin’ny taona 2009 io iainana hatramizao io?  Tamin’ny taona 2005 dia miiba 98,5 miliara ariary ny vokatra ara-bolan’ny orinasa JIRAMA  (résultat financier) mialoha ny nanaovana famerenana amin’ny laoniny azy (redressement). Ny faran’ny taona 2008 kosa dia miabo 38,6 miliara ariary ary 103 miliara be izao ny tao amin’ny kitapom-bolan’ny JIRAMA ny volana mey 2009 izany hoe tamin’ny fitondrana tetezamita notarihan’i Andry Rajoelina. Taorian’izay anefa dia nisy ny fieboeboana nampidina 10 % ny vidin-jiro sady namerina ny fampidirana jiro (Branchement) ho fanambatambazana ny vahoaka. Iza no tompon’antoka tamin’ireny? Nanomboka ihany koa ny tsy firaharahina ny fanarenana ny orinasa na amin’ny lafiny ara-bola na amin’ny lafiny ara-teknika. Iza no tompon’andraikitra tamin’izany? Vokatr’izany dia nidina 84 miliara ariary ny vokatra ara-bolan’ny JIRAMA tamin’ny taona 2010, ny faran’ny taona 2015 aza moa dia nitotongana hatramin’ny 300 miliara ariary. Araka izany, tsy afa-bela tamin’ny fampikorosoana fahana ny JIRAMA ny tompon’andraikitra maro mpanapa-kevitra nandritra ny tetezamita , nandova io fahasahiranana io ny fitondrana HVM ary nahafantatra tsara ny zava-nisy ny filoha Rajaonarimampianina satria minisitry ny vola nandritra ny efatra taona izy tao anatin’ny tetezamita. Ka iza marina ary no tompon’antoka sy tompon’andraikitra tamin’ireny? Ny tantara sy ny vahoaka no hitsara ary enga anie ka  ho voantsetsina tokoa ny voka-dratsin’ny fitantanana tsy mahomby tamin’ireny ka tsy ho hanindroa intsony ny fanapotehana toekarena.

 

 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT