Dossier

Fahapotehan’ny ala sy fitrandrahana tsy ara-dalàna Zava-manan’aina miisa 2.591 no ahiana ho lany tamingana


  • Zoma 31 Janoary 2020

Zava-manan’aina miisa 2.591 hita eto Madagasikara no ahiana ho lany tamingana. Izany no voalazan’ny voka-pikarohana momba ny lisitra mena mitanisa an’ireo harena voajanahary tandindomin-doza aty Afrika.

 Araka io antontan’isa io dia i Madagasikara no firenena ahitana zava-manan’aina be dia be indrindra ahiana ho lany tamingana, aty amin’ny kaontinanta afrikanina. Raha toa ka ny karazana gidro no tena matetika voalaza fa mihavitsy, dia tafiditra ao anatin’io lisitra io ihany koa ireo karazam-biby hafa, indrindra fa ny bibikely. Anisan’izany, ohatra, ny karazam-balala tsy manidina atao hoe : Agkistropleuron simplex, izay tsy hita afa-tsy ao anaty alan’i Manakambahiny, any amin’iny tapany atsinanan’ny Nosy iny. Ny fahapotehan’ny ala no antony mampihena tsikelikely ny isan’ity karazam-balala ity, araka ny fikarohana. Anisan’ireo ahiana hanjavona tanteraka ihany koa ny karazana trambo atao hoe : Sphaeromimus splendidus, noho ny fahapotehan’ny alan’i Sainte Luce any Faradofay sy noho ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany any an-toerana. Ilàna fandraisana andraikitra haingana, araka izany, ny fiarovana ny ala eto amintsika. Tokony hasiana fanaraha-maso ihany koa ny fitrandrahana an’ireo harena ankibon’ny tany fa misy fiantraikany goavana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana.

 

 

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT