Efa kaodikaody sy feno tahotra indray ny vahoaka Malagasy ny amin’ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika tamin’iny faran’ny herinandro iny.
Hatreto amin’ny fotoana hanoratana aloha dia mbola tsy niova izany saingy ahiana hatrany ny fiakarana. Fa ankoatra ny faktioran’ny JIRAMA dia saika miakatra isan’andro ny vidin’entana rehetra kanefa ny fahefa-mividin’ny Malagasy efa tena ambany. Tsy eritreretina intsony ny fisondrotan’ny sarandalana fa dia entina am-bavaka, hoy ny renim-pianakaviana iray. Etsy an-daniny anefa dia tsy misy ny sehatr’asa tena mba mandeha eto Madagasikara. Miasa tena kely eny ny ankamaroan’ny maro mitady izay harapaka isan’andro. Mitombo isa hatrany ny Malagasy kanefa ny fiainana mizotra miakatra ihany koa. Na ny mpiasam-panjakana aza moa dia tsy vitsy izy no manao asa hafa entina manentsina ny lavaka, indrindra ny amin’izao akatoky ny fampidirana mpianatra izao. Sarotra ny hieritreretana tetikasa entina ampandrosoana ny fari-piainana manoloana izany olana maro izany. Samy miaro ny rambony tsy ho tapaka ka izay mahavelona ihany sisa aloha no atao eto. Amin’izany indrindra no mahavalalanina ny rehetra ary mahakely finoana ny amin’ny ady amin’ny fahantrana. Mbola ho ela ny fampandrosoana ary hitarazoka hatrany ny fahantrana noho ny ataon’ity mpitondra sy ny mpanao politika izay tsy mihevitra afa tsy ny tenany ihany ka nampikoroso fahana an’i Madagasikara ho tahaka izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.