Ankoatra ny faktioran’ny JIRAMA sy ny solika dia saika miakatra isan’andro ny vidin’entana rehetra. Ny fahefa-mividin’ny Malagasy anefa efa tena ambany. 90% miaina amin’ny 1.9 dolara na 6086Ar (1dolara=3203.57Ar)isan’andro.
Tsy misy ny sehatr’asa tena mba mandeha eto Madagasikara. Miasa tena kely eny ny ankamaroan’ny maro mitady izay harapaka. Etsy an-danin’izay anefa dia mitombo hatrany ny Malagasy kanefa ny fiainana mizotra miakatra hatrany. Ny karama nantenaina hitombo aza moa tsy niakatra ho an’ny mpiasam-panjakana. Tsy vitsy izy ireo no manao asa hafa entina manentsina ny lavaka. Izany rehetra izany no mainka manome vahana hatrany ny sehatra tsy ara-dalàna. Tsy mahagaga raha 11% ihany ny tahan’ny fampidiran-ketra. Sarotra ny hieritreretana tetikasa entina ampandrosoana ny fari-piainana manoloana ny olana maro. Izay mahavelona ihany sisa aloha no atao eto. Amin’izay indrindra no mampametra-panontaniana hoe iza loatra re no nahatonga ny Malagasy ho fadiranovana tahak’izao e ? Tsy afa-bela ny mpitondra sy ny mpanao politika izay tsy mihevitra afa tsy ny tenany ihany ka nampikorosofahana an’i Madagasikara ho tahaka izao.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.