Mikarakara atrikasa mandritra ny 2 andro ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) miaraka amin’ny INSTAT.
Mikasika ny famakafakana ny fahantran’ny ankizy eto Madagasikara no antony, hiarahana miasa amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola amin’ny alalan’ny INSTAT. Ahitana teknisianina malagasy maro sy teknisiana avy any ivelany miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny UNICEF sy ny Banky Iraisam-pirenena izany. Tanjona ny hampahafantarana ny fomba hafa, dia ny MODA (Analyse des Chevauchements de Priavation Multiples), hanaovana ny fanadihadiana amin’ny fahantran’ny ankizy. Matetika ny lafiny ara-bola foana no jerena rehefa manao fanadihadiana mahakasika ny fahantrana kanefa maro be ireo singa hafa ahafahana mitsirika izany izay ampiasaina amin’io fomba vaovao io. Io fandrefesana MODA io dia novolavolain’ny UNICEF ampiasaina manerana izao tontolo izao mihitsy. Omaly no nampahafantarina an’i Madagasikara ny fisian’izany fomba vaovao izay ahafahana mamoaka tondro amin’ny fahantrana izany. Mifandraika amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy (ODD) sy ny ady amin’ny fahantrana atao izao satria rehefa voafehy io fomba io dia mivoaka daholo ireo tondro ahafahana mandray fanapahan-kevitra hoy ny talen’ny demografia eo anivon’ny Instat, Razafimiharantsoa Tovonirina. Tamin’ny 2018 efa nisy ny fanadihadiana MICS (Multiple Indicator Cluster Surveys) izay namoaka tondro maro mahakasika ny ankizy saingy ny MODA no fomba vaovao manaraka ny toetrandro. Misy mihitsy ireo manampahaizana manokana avy any amin’ny oniversite Oxford Angetera izay miara-miasa amin’ny INSTAT mandritra ny efa-bolana hanomanana ny tatitra mahakasika izany.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.