Dossier

Fahantran’i Madagasikara Hiha lalim-paka hatrany raha ….


  • Zoma 04 Janoary 2019

Voasokajy ho anisan’ny firenena faha-5 mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara. Ny 80%-n’ny mponina dia miaina amin’ny vola latsaky ny 1,9 dolara na 6 970 Ariary eo isan’andro (1dolara=3485Ar).

 

 

 Tamin’iny taom-pifidianana lasa iny anefa dia feno fanantenana ny Malagasy ary maro no efa nilokaloka fa ho tojo fampandrosoana amin’izay. Iaraha-mahita ny zava-nitranga fa hosoka sy halatra no natao ary nahavelon-taraina ny maro mihitsy. Hitam-poko hitam-pirenena ny tranga ary feno fanahiana tanteraka ny maro ny amin’ny fihemorana ara-toekarena hahazo an’i Madagasikara indray. Efa mipetrapetraka daholo mantsy ny vina rehetra nentin’ny filoha Marc Ravalomanana ary na ny fifandraisana amin’ireo firenena matanjaka mpamatsy vola aza dia efa tena nilamina. Ankehitriny anefa dia marikoditra tanteraka na ireo mpahay toekarena na ireo mpandraharaha, indrindra ny vahoaka manontolo ny amin’ny barofo sy ny antsojay hampandaniana olona apetraka handripaka harena sy hivarotra tanindrazana. Mazava ho azy fa hihemotra lavitra ary hitana ny rambony mihitsy i Madagasikara raha sanatria ka tafaverina eo ireo mpangoron-karena sy mpamotika firenena ireo. Tsy hisy handeha amin’izay laoniny ny fampandrosoana sy ny fampiroboroboana ny toekarena fa tsy maintsy hanefa ny trosa sy ny vola be lany nafafy aloha no vaindohan-draharaha. Mbola misy ny tompon’ny teny farany ary afaka hamerina ny fanantenan’ireo Malagasy maro mitady fanovana sy fitomboana ara-toekarena ka apetraka amin’izy ireo izany mba hanaingana ny toekarena Malagasy izay efa mandady amin’ny tany. Raha tsy izay no zava-hitranga dia hikoroso fahana ny firenena ary tsy misy n’inona n’inona azo antenaina intsony fa na ny ho avin’ireo taranaka faramandimby aza dia mahavelon’ahiahy tanteraka.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT