Miroso amin’ny famahana ny olana ara-politika ireo ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena. Na izany aza aloha dia hita taratra amin’ny seha-pihariana rehetra fa sahirana tanteraka ny vahoaka Malagasy.
Noho ny savorovoro politika tsy misy fiafarany eto Madagasikara dia malaina ny mpampiasa vola. Tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny resaka varotra hampidiram-bola, hany ka aleon’ny olona mitahiry ny volany fotsiny. Tsy mihodina ny vola kanefa tokony hiteraka tombony. Misy fiantraikany ary mamotika ny toekarena ny fitehirizana fotsiny sy ny tsy fampiasana vola. Etsy an-daniny, hita taratra ihany koa ny fahasahiranan’ny banky eo anatrehan’izao toe-draharaha misy eto amin’ny firenena izao. Tsinjo eny amin’ny fiarahamonina eny ny tsy fahampian’ny vola mihodina sy ny vola madinika hamerenana. Ny fahalatsahan’ny vaingam-bola (masse monétaire) eto Madagasikara no miteraka izany rehetra izany. Tsy omena tsiny koa anefa ireo mpanodim-bola ny amin’ny tsy fahasahiany mampiasa vola aloha fa miandry ny fahatsaran’ny tontolon’ny fandraharahana mba tsy hiditra fatiantoka. Mila mivaha haingana ny olana ara-politika fa tena taraiky i Madagasikara ary potika hatrany ny fandraharahana noho ny fahalainan’ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha ara-toekarena.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.