Dossier

Fahaizana mitantana eran-tany Nahazo ny toerana voalohany ny CNaPS


  • Zoma 18 Janoary 2019

Ny fandinihana ny tantaran’ireo firenena matanjaka na koa olo-malaza eran-tany sy tafita teo amin’izay nifotorany no niaingan’ny fianarana ny fahaizana mitantana.

  Tsy mijanona ho fananana azy ho fahaizana fotsiny ihany anefa no tena zava-dehibe aminy fa ny fahafehezana. Nahafeno fepetra ao amin`ny sehatra niasany indrindra amin`ny fahaizana mitantana ny tahirimbolam-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) satria voahosostra ho mpahay mitantana indrindra eran-tany ary nahazo mari-pankasitrahana avy amin`ny AISS (Association Internationale de Sécurité Sociale). Lamina miisa 85 no nataon`ny AISS fitsirihana tao anatin`ny fitantanana ambony ary nisy fanadihadiana lalina nataony. Zava-dehibe ny hoe voahosotra ho mpahay mitantana indrindra eran-tany satria karazana toky amin`ny mpiara-miombonantoka amin`ny hoe fahatsarana ny fitantanana sy fahaizana mitantana, hoy ny tale jeneralin’ny tahirimbolam-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS), Arizaka Raoul. Nahazo ny toerana voalohany i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny CNaPS, tamin`ireo mpisehatra ara-piahiana sosialy miisa 330 izay avy amina firenena 158. Raha te hampitombo vokatra tsaratsara kokoa noho izany ankoatra ny lafiny hafa toy ny ara-teknika dia tsy maintsy mijery sy mifantoka koa amin’ny olona izay otrikarena (ressources) voalohany. Hametraka vina ny CNaPS amin`ny fanatsarana hatrany ny fomba fiasa, ao anatiny sy any ivelany, ny hamaly ny hetahetan’ireo mpikambana, ny hanitarana ny seha-piasany mba ho akaiky kokoa ny sarababem-bahoaka, ary hanarahana ny fivoaran’ny teknôlôjia amin’ny fomba fiasa sy fifandraisana amin’ny mpanjifa azy. Fanamby amin`ity taona 2019 ity kosa dia momba ny fanitarana. Vitsivitsy ireo mpiasa voasoratra noho ny tahotra amin`ny fampidirana eo anivon`ny CNaPS satria tsy maintsy eo foana ny fifandanjan-kery eo amin`ny mpiasa sy mpampiasa. Anisan’ny andrandraina ny fahombiazana toy izao ary tsara halaina tahaka mba hikarohana lalandava tetika itsobohana lalindalina kokoa amin’ny fandrosoana. Mila mifandrindra koa anefa ny isanisany. Izany no ilana fifanampiana.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT