Dossier

Fahaiza-mitantana Mibosesika mankany Etiopia ireo mpamatsy vola


  • Talata 29 Oktobra 2019

Na dia nahita fihenana aza ny fitomboan’ny harin-karena noho ny main-tany teo anelanelan` ny taona 2015 sy 2017, miverina amin` ny laoniny indray izany ao Etiopia.

 

 

 

Ny taona 2018, nahitàna 7,5% no fitombon’ny harin-karena faobe, ary amin` izao dia tafiakatra hatramin` ny 8,5% ary izany izay vokatry ny firoboroboan’ny indostria. Any Ethiopia, tafiakatra 16,7% ny harin-karena faobe vokatry ny tontolon` ny indostria ny taona 2015-2016 noho ny paikady niompana tamin` ny fanondranana entana. Eo amin` ny tontolon` ny lamba ohatra, hisandratra hatrany ny toekarena Etiopianina amin` ny taona 2030, Maniry hampidi-bola hatramin` ny 30 miliara doliara amin` ny vola vahiny ity firenena ity amin` io sehatra iray io. I Etiopia moa no firenena faharoa mpamokatra lamba maneran-tany ary hampiasa ny fitaovana eo am-pelatanany mba hanomezana asa ho an` ireo tanora ao aminy izay miisa 40 tapitrisa, indrindra mba iadiana amin` ny fahantrana.Mazava be fa teo ihany koa ny fahaizan-mitantana sy ny mangaraharaha tamin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, hany ka tonga ho azy ny mpamatsy vola. Firenena karakaina sy mosarena no nahafantarana an’i Etiopia tany amin’ny taona ’80 saingy anisan’ny firenena mandroso indrindra aty Afrika izay ankehitriny, tsy zavatra tongatonga ho azy izany fa noho ny famadihana ny hambom-pom-pirenena ho asa, ary ny fahaizan’ny mpitondra nifandray sy nitantana ny vahoaka..nizara amin’ny rariny ihany koa ny harem-pirenena, no sady niara-niasa tamin’ny vahiny kanefa niaro hatrany ny tombotsoam-pirenena.Tsara ho marihana fa ny praiminisitra Etiopianina Abiy Ahmed no nandrombaka ny loka Nobel ho an’ny fandriampahalemana tamin’ity taona ity.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT