Dossier

Fadin-tseranana Malagasy Tsy ampy ny fampangaraharana ny vola miditra


  • Alatsinainy 02 Septambra 2019

Nanome baiko ny filohan’ny repoblika ny amin’ny fanafainganana ny asam-panjakana sy ny fametrahana ny mangarahara eo anivon’ny fadin-tseranana Malagasy.

 

 

 Hampahafantarina ny rehetra manomboka izao ny vola mihodina rehetra eo amin’ny fadin-tseranana noho ny

fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola sy ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nametrahana fitaovana fitsirihana ny vola

mihodina rehetra avokoa ny eo anivon’ny biraon’ny fadin-tseranana. Tanjona ny hampidiram-bola betsaka avy amin’ny fadin-tseranana ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Misy

mihitsy ny ecran lehibe isaky ny biraon’ny fadin-tseranana hahafantarana ny vola miditra sady mampiseho ny ezaka tokony hiantsorohana sy ny fifaninanana ny amin’ny fampidiram-bola.

Tsiahivina fa 1770 miliara Ariary sahady ny vola nampidirin’ny fadin-tseranana tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana nandritra ny 7 volana voalohany ny taona 2019 raha toa ka 1309

miliara Ariary izany ny 7 volana voalohany ny taona 2018.

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT