Taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato tamin’ny farany teo dia nisy ny fanomezana torolalana sy baiko ny amin’ny fanatsarana ny fomba fiasan’ny fadin-tseranana.
Anisan’izany ny fepetra noraisin’ny fadin-tseranana ny amin’ny fanatsarana ny fandraisana ireo mpandeha rehetra eny. Eo ihany koa indrindra indrindra ny fijerevana sy fanaraha-maso matotra ny fivoahana sy ny fidiran’ny entana izay tokony handoa haba. Tamin’ity fidinana ifotony teny Ivato ity ihany koa no nahatsikaritra ny minisitra sy ireo rantsa-mangaika eo anivon’ny fadin-tseranana fa tsy ampy ny serasera mampahafantatra ny vahoaka manodidina ny antontan-taratasy ilaina rehefa manondrana na mitondra entana ka ilàna ezaka. Anisan’izany ohatra ny resaka Whisky izay niteraka resabe tato ho ato ka mbola nitondran’ny Tale jeneralin’ny fadintseranana, Narivony Rabenja Eric fanazavana hatrany. Nanamafy izy fa 2 ihany ny Whisky azo entin’ny olona iray avy any ivelany mandalo eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ka tsy andoavana haba rehefa miditra eto. Rehefa mihoatra an’izay isa izay dia tsy maintsy misy ny haba aloa. Zavatra tahaka izany no ilana ny fahamafisan’ny serasera mba hampihodina haingana ny asa sady hitera-bokatsoa amin’ny fadin-tseranana ny amin’ny fampidiran-ketra ataony ho tombony amin’ny toekarena.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.