Nisy ezaka teo anivon’ny Fitsarana nandritra ny enim-bolana faharoa tamin’ny taona 2018 nataon’ny minisitry ny fitsarana entina hamerenana ny hasin’ny fitsarana eto Madagasikara.
Teo ny fametrahana fotodrafitrasa, fanenjehana ny kolikoly… Anisan’ny zavatra nisongadina tamin’ny taon-dasa ny nanajanonana ny fikarakarana fampidirana ireo mpiadina teo amin’ny sekoly ambony mampiofana mpiraki-draharaha sy mpitsara (ENMG) noho ny tsy fisian’ny mangarahara. Azo lazaina fa fanapahan-kevitra goavana izany, hoy ny tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ity sekolim-panjakana ity. Hapetraka ho fanamby amin’ity taona ity ny fitohizana sy fanatsarana fampidirana ny mpiadina. Eo ihany koa ny fitantanana mangarahara ny tetibola eo anivon’ny ENMG mba hahafahana manome ny zavatra tena andrasan’ny fitsarana sady hanofanana ireo mpitsara sy mpiraki-draharaha takian’ny Fitsarana. Tokony hitohy mandritra ny dimy taona ny fanandratana ny fitsarana ary ny fanakaikezana ny vahoaka Malagasy amin’ireo rafi-pitsarana rehetra satria ho an’ny vahoaka ny hamoahana ny didim-pitsarana ary zana-bahoaka no tokony hiditra sy hofanina amin’ny mangarahara amin’itony sekolim-panjakana itony. Tontosa omaly ny fifampiarahabana nahatratra ny taona teo amin’Atoa Rakotoarisoa Indriamanga Miadantsanta tale jeneralin’ny ENMG sy ireo mpiara- miasa aminy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.