Dossier

Elodranon’i Ehoala Misedra ny mafy ireo mpitrandraka Mica


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Iharan’ny antsojay sy ny tery vay manta ireo mpandraharaha miantsehatra amin’ny fitrandrahana sy fanondranana manjarano (mica) any amin’ny faritra Anôsy any ankehitriny.

 

 

 Bahanan’ny mpandraharaha mpanondrana “monazite” ny toerana natokana hamatraran’izy ireo entana anaty kaontenera ao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ka vaotery eny ivelan’ny seranana izy ireo no manao ny asany. Miteraka fatiantoka ho azy ireo anefa izany raha ny marina. araka ny fanazavana voaray. Taloha (taona 2014-2015) dia tany amin’ny toeram-piasana ihany no namatratra entana tao anaty kaontenera ny mpitrandraka “mica” haondrana nefa noho ny fitobahan’ny trafikana andramena dia namoaka didy ny Faritra Anôsy fa eny an-tseranan-tsambon’i Ehoala ihany sisa no azo hanatanterahana ny fampidirana entana anaty kaontenera mba ho fanaraha-maso ny entana mivoaka any an-toerana. Hatramin’ny taona 2015 dia narahan’ireo mpandraharaha hatrany io fepetra noraisin’ny Faritra Anôsy io ary nanotrona ny fampidirana “mica” anaty kaontenera hotronin’ny solontena avy ao amin’ny sampandraharahan’ny harena ankibon’ny tany. Ankehitriny dia lasa bahanan’ny mpanondrana “monazite”  samirery ny toerana famaharan’entana ao antserana-tsambo ka manakorontana  lamina rehetra efa napetraka ary misy fiantraikany amin’ny fandaniana ara-bolan’ny orinasa mihitsy. Misy fanaovana  an-tery sy filana vaniny ataon’olom-bitsy ao anatin’izao zavatra izao.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT