Raha heloka momba ny fanimbana ny ala na “délit forestier” dia inona no idiran'ny Bianco amin’ilay raharaha? Toa lasa sorona samirery ary lasibatry ny fanenjehana ara-pitsarana mety mitanila i Eddy Maminirina,
na Eddy boaderozy raha ny fahitan’ny olona manodidina azy. Tsy toy ny afokasoka ny boaderozy ka ho azo hafenina am-paosy, fa hazo mavesatra sy lehibe tsy vitan'olon-tokana. Tamin'ny tetezamita, betsaka ny nanana fahazoan-dàlana, tsy hisy hazo tafavoaka teo raha tsy nomena alalana hanapaka, hitatitra hanondrana,... Ny tetezamita rahateo tsy nisy famatsiam-bola ka mazava ho azy tsy nisy hazo tafavoaka teo raha tsy nandoa vola tamin'ny fanjakana ... I Eddy Maminirina irery no mizaka ny heloka mety niaraha-nanao. Voatazona eny amin’ny fonja ny Tsiafahy nanomboka ny 12 febroary 2019 rehefa nosamborina teo amin’ny La City Ivandry izy. Ny fanadihadiana natao ny alarobia 6 martsa 2019 vao nampahafantarina azy ny antony nihazonana azy ny fonja na dia ny mifanohitra amin’izay aza no tokony ho nisy. Araka ny voalazan’ny andininy 109 ny fehezan-dalàna momba ny paika ady heloka izay mandefa any amin’ny and. 104 hatraminy 107 dia farafahatarany 24 ora nitazonana am-ponja olona iray dia tokony efa niseho teo anatrehan’ny Mpitsara mpanao famotorana izy na tonga dia navoaka avy hatrany ny fonja araka ny voalazan’ny andininy 104 ny amin’io fehezan-dalàna io, ary mbola hamafisin’ny and.105. Nahoana no tsy nisy olona hafa mihitsy nadoboka kanefa tambajotra be io? Eddy Maminirina rahateo efa namoaka anarana nandritra ny fakana am-bavany azy. Manarak’izany, efa nanana lisitr’ireo olona voakasiky ny raharaha boaderozy ny fanjakana Malagasy tamin’ny andron’ny Praiminisitra Jean Omer Beriziky, ity farany izay nilaza mazava fa tsy hoe ny any anaty ala ihany no misy manao an’io, fa mety efa mitsotsotra tsara eto Antananarivo, hoy izy, ny atidoha sasany amin’io. Nomena ny filoha Rajaonarimaampianina tamin’izy vao nandray fahefana io taratasy io, ka lasa aiza ilay izy. Efa mba nanadihady ny momba izany ve ny fitsarana ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.