Dossier

E-Hetra Payment Hanamorana ny fampidiran-ketra


  • Alarobia 06 Novambra 2019

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny “e-hetra Payment” izay fomba fandoavana hetra vaovao amin’ny aterineto.

 

 

 

 Efa nanomboka tamin’ny 15 Oktobra lasa teo no efa afaka nanatanteraka izany ireo orinasa ka sady afaka manao fanambarana ara-ketra no afaka mandoa hetra mihitsy. Tanjona ny hanamorana ny fandoavan-ketra mba hipaka haingana amin’ny fampidiran-ketra ao amin’ny kitapom-bolam-panjakana. Hahazo tombony ihany koa ireo orinasa lehibe ny amin’ny tsy fivezivezena sy ny tsy fandaniam-potoana amin’ireo taratasy marobe amin’ny fanambaran-ketra. Ny 80%n’ny fampidiran-ketra mantsy dia avy amin’ireo orinasa lehibe ireo ka notsorina amin’ity fomba vaovao ity ny fandoavan-ketra atao’izy ireo. Tombony ihany koa ny tsy hisian’ny risika aamin’ny fanaovana kolikoly ary mangarahara tanteraka kanefa tena voaaro tsara ny kaonty. Fiaraha-miasa amin’ny Masoivoho Alemana no nahafahana nametraka ny E-HetraPayment ary izy ireo mihitsy no mamatsy vola tamin’izany. Efa niditra tamin’ity vovonana hanaovana  fanambarana sy fandoavan-ketra ampitain-davitra (télépaiement) ity rahateo koa moa ny ankamaroan’ireo banky hanamorana ny fampidiran-ketra. Ao anaty aterineto no miditra amin’ny tranokalan-tseraseran’ny foiben’ny fintantanana ankapoben’ny hetra araka izany dia efa afahana mandoa ny hetra amin’ny fotoana fohy.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT