79 ireo dosie nampiahiahy fa misy kolikoly izay narahi-maso teny amin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (BIANCO) tamin’ny taona 2017.
Tsy re intsony izay tohiny amin’izao fotoana izao ary mampametra-panontaniana ny maro hoe iza tamin’ireo olona voasarigotra ireo no mba niharan’ny lalàna ? Zavatra hafa izao no laharam-pahamehana ary tsy hita mazava intsony ny fitohizan’ny fanadihadiana. Efa fantatra hatrany koa moa fa rafitra apetraka fotsiny izy ireny sampandraharaha tahaka ireny eto amintsika ary na ireo tompon’andraikitra aza milaza mazava fa tsy dia ahafahana mihetsika sy manao zavatra firy ary mandray andraikitra akory ny fahefana omena azy ireo. Raha tsy foana na farafaratsiny mba tena mihena ho ambany anefa ny tahan’ny kolikoly eto amin’ny firenena dia hanahirana ny hahatongavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena. Iaraha-mahalala fa tena nanomboka nirongatra ny kolikoly tamin’ny fotoanan’ny tetezamita ary niainga hatrany amin’ny ambany indrindra mihitsy no nanao azy ka hatramin’ny tompon’andraikitra ambony. Amin’izao fotoana aza mbola hitam-poko hitam-pirenena ny zava-nisy tamin’ireny fifidianana fihodinana faharoa ireny. Maro ny nijoro vavolombelona ny amin’ny fanambatambazana vola tany rehetra tany saingy toa hodiana tsy hita ary tsy misy mihitsy ny fanadihadiana sy ny fepetra noraisina avy amin’ireo tompon’andraikitra mpiady amin’ny kolikoly. Sa hampanginina sy ezahana ampirimina fotsiny tahaka ny afera maloto hatramin’izay izany ka tahaka ny zava-nitranga teo aloha dia tsy nisy akory ny fanenjehana ho an’ireo mpivarotra harem-pirenena tahaka ny andramena sy ny volamena tamin’ny fotoanan’ny tetezamita ? Tsy hivoaka mihitsy ny firenena ary hihemotra ara-toekarena mandrakariva raha izao fomba fiasa mamohehatra sy mampalahelo ny maro izao no mitohy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.