Dossier

Dosie maloto, fifampialonana Hopotehina tanteraka i Imbiki Herilaza ?


  • Talata 22 Martsa 2022

Namoahan'ny fanjakana Malagasy IST (Interdit de sorti du Territoire) na fandrarana tsy hivoaka ny sisin-tanin'i Madagasikara ny minisitry ny fitsarana teo aloha Imbiki Herilaza miampy olona telo hafa dia ny depiote Mohamad Ahmad,

 teratany karana miisa 3 dia i Mohamed Hassan Mojize Raza, Mickael Djivan P., Pirbay Japy Nizar Hadi, raha ny vaovao azo. Voatonontonona amin’ny raharaha fanondranana harem-pirenena, ary voalaza fa tsy hamelana hatramin’ny farany satria toa misy endrika fifampialonana ara-politika ihany koa. Raha ny ampamoaka efa nivoaka dia voalaza fa nanome volabe 400 tapitrisa Ar tamin’ny minisitra iray mbola ao anaty governemana (efa miandraikitra minisitera hafa) ny karana mpanondrana vatosoa sarobidy, saingy mbola tratra sy tsy navela nandeha teny Ivato. Nitady làlana hafa mba hiarovana ny karana sarona ny namany, ka voalaza fa nandoa 400 tapitrisa Ar tamin’io ihany koa, saingy mbola nidoboka am-ponja vonjimaika ihany ireo teratany vahiny. Nandeha ny fitakiam-bola, ary niafara tamin’ny ampamoaka. Etsy an-daniny, mangotraka ihany koa ny fifanenjehana ara-politika tao anatin’ny governemanta. Voalaza fa tsara toerana ho Praiminisitra ny Minisitry ny fitsarana teo aloha, efa nanao fihesika ara-politika nidina ifotony nizara fanomezana, nanambara fa homeny ny any Atsimo ny karamany 3 volana,… ka mety misy taitra ihany tao anaty governemanta hoe: mitady hiketrika ity. Ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra Ntsay Christian ny 16 febroary lasa teo manoloana ny fialan’I Imbiki Herilaza fa “Olon-dehibe ny Filoha sy ny tenany ka mandinika sy mamakafaka, mijery tsara ny zava-misy, ary matoa ireny ny zavatra noraisina dia mifandray tokoa amin’ny zava-misy, ary tena mahasoa ny Malagasy”. Toa efa naneho ankolaka, fa tena marina sy mitombina ny raharaha nahasaringotra an’I Imbiki Herilaza, ary porofon’izany ny nanesorana azy. Misy manampahefana ambony mahoraka fa ao ambadiky ny fanenjehana sy fanapotehana an’I Imbiky Herilaza, ary teti-panorona goavana no efa natomboka. Hatreto mbola tsy nisy didin’ny Filankevitra ambonin’ny Mpitsara (CSM) momba an’i Imbiki Herilaza ary mampametra-panontaniana hoe : mbola eto ve izy ? Ary mba ahoana ireo hafa manana dosie ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT