Dossier

Doro tanety etsy sy eroa Ireo mpitsoa-ponenana sy ny tevy ala no fositra


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Mirongatra ny doro tanety manerana ny faritra amin’izao ary saika potika avokoa ny harena ambanin’ny tany. Nambaran’ny minisitry ny tontolo iainana, Alexandre Georget fa noho ny fisian’ireo olona

 

 

mitsoa-ponenana manao tevy ala sy manao tavy no mampirongatra azy io. Araka ny fanazavany, efa mametraka ny paikady isan-karazany amin’ny famongorana azy ny eo anivon’ny minisitera sy ny fitondram-panjakana. Araka ny tatitra nataon’ireo tompon’andraikitra sy ny teknisianina ary ireo manampahaizana dia mahatratra 150.000 ka hatramin’ny 200.000 hektara no very sy potika, vokatry ny doro tanety, tevy ala ary tavy izay mahazo ny toerana saropady ka mamotika ireo harena ankibon’ny tany, hoy hatrany ny minisitra. Noho izany, nahetsika avokoa ny faritra rehetra nahitana ny OMC distrika, ny tale rezionaly, lehiben’ny distrika, ny ben’ny tanàna sy ireo ratsamangaikan’ny minisitra mba hiady amin’ity famotehana ny ala ity. Nanao antso amin’ny olom-pirenena koa ny tenany fa misy ny zava-dratsy aterak’io doro tanety io ary simba sy ripaka ny toekarena. Tonga koa ny aretina izay loza ho an’ny taranaka, koa entanina ny olom-pirenena rehetra handray anjara amin’ny fambolen-kazo, mba ho tontolo mantso ny nosy.

Sitraka r.     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT