Dossier

Disitrikan’Ambilobe Kisoa an-jatony matin’ny “Peste Porcine”


  • Talata 14 Janoary 2020

Kisoa an-jatony no maty tao anatin’ny herinandro tao amin’ny distrikan’Ambilobe.

 

 

Valan-kisoa iray no nitarika ny fiparitahan’ny aretina. Niampita tamin’ireo kisoa mpirenireny izany ary tsy voafehy raha tsy ny faran’ny herinandro teo. Nidina ifotony ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ary nanambara omaly tetsy Ampandrianomby fa tsy ahiana intsony ny fiparitahan’ny valanaretina pesta porcine afrikanina amin’ny faritra hafa.  Nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra fa tsy misy fiantraikany amin’ny fahasalaman’olombelona io pesta mahazo ny kisoa io. Na izany aza dia tsy azo atao ny mivarotra henan-kisoa matin’ny pesta sy mamoaka kisoa velona ao Ambilobe mihazo faritra hafa amin’izao fotoana.

 

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT