Ilana vola hatrany amin’ny 1 tapitrisa Ar amin’izao ny manao hasoavan-jaza iray, indrindra ho an’ireo mbola mandala ny fomba Malagasy.
Tsy ilay vola aloa amin’ny rainjaza no vesatra izay mbola manodidina ny 20.000 Ar ankehitriny fa ilay fakana mozika mampandihy eny amin’ny arabe sy ny fanaovana akanjo mitovy ary ny famahanan’olona sy ny alim-pandihizana. Ireo mponina eny amin’iny faritra Andohatapenaka sy Itaosy iny no mbola tena be mpanao izany. Ho an’ireo efa mankasitraka ilay fomba Amerikanina kosa dia 2 hetsy Ar eo ho eo ny vola ilaina miaraka amin’ny kilalaon’ilay zaza. Manomboka amin’ny 40.000 Ar mantsy no manao izany ka hatramin’ny 100.000 Ar miankina amin’ilay dokotera mpandidy. Anisan’ny tena itiavan’olona ireto farany moa amin’ny ankapobeny ny fahazoana antoka ny fahadiovana, ny fahadiovana hampiasaina miampy ny traikefan’ilay dokotera izay azo antoka kokoa raha oharina amin’ireo Rainjaza mampiasa lame.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.