Dossier

Diaspora Kaomorianina Mampiditra 2 miliara dolara isan-taona


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Maherin’ny 150 000 ireo teratany Malagasy monina sy mila ravinahitra any Frantsa.

 

 

Madagasikara ihany koa dia anisan’ireo firenena andrandraina alohan’i Mali, Sénégal ary Nosy Comores… raha aty Afrique sub-saharienne. Antony dia mahay miaina, manana fahaiza-manao, manana asa mendrika sy mahavelona tsara ny ankamaroan’ny teratany Malagasy… Vitsy no manadio trano fidiovana na koa mpandroaka fako. Mahavariana anefa fa raha oharina amin’ ireo firenen-kafa dia ny vola ampidirin’ny diaspora Malagasy isan-taona (transferts financiers annuels) dia ambany. Raha ny tarehimarika voaray dia ny vola ampidirin’ny fitambaran’ny diaspora maneran-tany tamin’ ny taona 2019 dia manodidina ny 500 miliara dolara. Ho an’i Mali, dia nampiditra vola mitentina 900 tapitrisa dolara ny diaspora ao aminy tamin’ny taona 2018, izany hoe 2 000 dolara isaky ny mpila ravinahitra. Ao Nosy Kaomoro, ny vola nampidirin’ ny diaspora dia mifandraika amin’ny 20%-n’ny harinkarena sady miantoka ny tahan’ny fisondrotan’ny vidim-piainana sy ny fampandrosoana ara-toekarena. 450 tapitrisa dolara monja no nampidirin’ny Diaspora Malagasy tamin’ny taona 2019, izany hoe 4,4%-n’ny harinkarena. Raha mba toy ny diaspora Kaomorianina ny diaspora Malagasy dia mitentina 2 miliara dolara isan-taona ny vola ampidiriny, ankoatra ireo fanampiana maro samihafa. Raha tsiahivina, ny governemanta etiopianina dia nahavita nanentana ireo terataniny rehetra na anatiny na ivelany tamin’ny fananganana ny « Barrage de Renaissance » izay mamatsy herinaratra 6,45 MW ary nitentina 4,8 miliara dolara. Marihana fa tsy nisy fanampiana avy amin’ireo mpamatsy vola vahiny ny fanatanterahana izany. Mba aiza isika Malagasy ? Raha ohatra ka miaina tsara tokoa ireo teratany Malagasy monina sy miasa any ivelany ireo dia azon’ny fanjakana atao ny mampiasa izany ho fitaovana ara-toekarena. Andraikitry ny fanjakana no mametraka ireo fitaovana ara-bola mifandraika amin’ izany manoloana ireo sehatra tsy miankina mba hahafahan’ny Diaspora Malagasy mamokatra misimisy kokoa amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy fahaleovantena ara-bola ho an’i Madagasikara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT