Dossier

CRRC mpamokatra lamasinina any Sina Zaza mitrandraka “mica” eto no mamelona azy…


  • Zoma 27 Desambra 2019

Ankizy maherin’ny 10 000 isa eto Madagasikara no ampiasaina amin’ny fitrandrahana eladrano (mica),

 

 

araka ny tatitra navoakan’ny fikambanana tsy miankina “Terre des Hommes sy ny Centre de recherche sur les multinationals”. Misy amin’ireo zaza ireo no mbola vao 5 taona monja ary tombanana ho zaza tsy ampy taona avokoa ny antsasak’ireo mpitrandraka eladrano eto amintsika. Toeram-pitrandrahana miisa 13 tany Atsimo atsinanan’ny Nosy no nanatanterahana an’ity fanadihadiana ity. Misy amin’ireo ankizy ireo no asaina mandavaka lava-drano sy tonelina, ny sasany kosa, asaina mifantina an’ireo eladrano azo amidy. I Madagasikara moa no firenena fahatelo eran-tany amin’ny fitrandrahana an’ity karazana mineraly ity, fa voalohany kosa amin’ny fanondranana azy. Ampiasaina amin’ny karazan-javatra maro ny eladrano, toy ny fanamboarana finday na ihany koa amin’ny fitaterana, toy ny fiara sy ny lamasinina. Ny fitrandrahana azy anefa dia mitarika voka-dratsy ara-pahasalamana maro. Araka ilay tatitra navoakan’ny Terre des Hommes sy ny Centre de recherche sur les multinationales dia maro amin’ireo ankizy tsy ampy taona no marary lamosina, marary an-doha vokatry ny fitaninana andro sy ny tsy fahampian-drano, tsy maintsy maratra isan’andro, mikohaka sy marary tratra noho ny vovoka ateraky ny eladrano… Miteraka resa-be maneran-tany mihitsy ankehitriny ity fampiasana zaza tsy ampy taona mitrandraka eladrano eto Madagasikara ity. Anisan’ny tratran’ny fanadihadiana lalina izao ny orinasa atao hoe : CRRC, orinasa sinoa mpamokatra lamasinina, matanjaka indrindra eran-tany. Voalaza fa aty Madagasikara izy ireo no maka ny eladrano ampiasainy hanamboarana lamasinina, saingy manelingelina an’ireo firenena mpanjifany izany, noho ity voka-panadihadiana ity. Efa betsaka ireo firenena matanjaka no mangataka fanazavana amin’ny CRRC amin’izao, vokatr’izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT