Dossier

CNaPS- Fiahiana ara-tsosialy Any Menabe indray ny fanentanana


  • Alarobia 29 Mey 2019

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ataon’ny Tahirim-pirenena momba ny Fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS.

 

 

Ho fanatanterahana ny tapaka tao amin’ny  filankevitry ny minisitra tamin’ny 3 mey dia notanterahina tao amin’ny faritra Menabe ny PPPS na Fandaharan’asa ho fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy ka niara-nientana ny rehetra nahitana ny avy amin’ny faritra, ny prefektiora, ny kaominina ary ny CNaPS sy ny minisiteran’ny Asa sy asam-panjakana ary ny lalàna sosialy (MTFPLS) any Menabe. Maro ny hetsika nentina nanentanana ny mpampiasa mba hanoratra ny mpiasany aty amin’ny CNaPS, ary tsy diso anjara koa ny mpiasa satria nisy ny fampahafantarana ny zon’izy ireo tamin’ny alalan’ny CNaPS mitety vohitra teny anivon’ny distrika  (Ankilizato, Malaimbandy, Beroboka, Mahabo), ny tranoheva manakaiky vahoaka ho fanentanana sy famahana ny olan’ny mpiasa teny Bemanonga, tany Morondava Center ary tany Namahora. Ankoatra ireo dia natsangana tany Morondava ny “Task Force de la sécurité sociale” izay ahitana ny mpanara-maso ny asa (Inspecteur du Travail) avy amin’ny minisiteran’ny asa ary ireo mpanao fitsirihana (Contrôleurs) eo anivon’ny CNaPS. Izy ireo no niandraikitra ny fanentanana teny anivon’ny orinasa mba tsy maintsy hampiditra ny mpiasany ho mpikambana CNaPS ary hanefa ny latsakemboka mba tsy hahavery zo ny mpiasa.  Nahatratra 155 ireo mpampiasa voaentana, indrindra ireo izay mbola mampiasa olona tsy ao anaty fiahiana ara-tsosialy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT