Dossier

« Chèque sans provision » Ny tsara ho fantatra


  • Zoma 02 Martsa 2018

Taratasim-bola tsy misy antoka na « Chèque sans provision » izy rehefa tsy ampy ny vola na tsy misy vola ao amin’ilay kaontin’ny tompon’ilay seky nefa ampiasaina hakàna vola.

 

 Tsy azo atao ny fandoavam-bola (paiement) amin’io trangan-javatra io ary tokony handrotsa-bola (versement) haingana ilay olona aorian’ny 48 ora. Ny zavatra ataon’ny banky raha sendra tsy mandrotsa-bola ilay olona dia miantso sy mampahafantatra ilay tompony ary mandefa taratasy (lettre de non-paiement na lettre d’injonction). Vantany vao fantatra sy tratra ilay seky dia tsy mahazo mampiasa seky amin’ny banky na aiza na aiza ilay olona (interdiction bancaire) mandritra ny herintaona ary tonga dia tafiditra avy hatrany ao anaty « liste noire » an’ny banky foibe. Rehefa mahazo ilay taratasy voalaza etsy ambony ilay olona dia trangan-javatra 2 no mety hitranga. Voalohany mandrotsa-bola (versement) na manao virement ao amin’ny kaontiny izy mba handoavana ilay olona nomeny Chèque sans provision fa na izany aza izy efa tratran’ny interdiction bancaire foana ihany. Ny faharoa tsy manao n’inonan’inona izy ary tsy miraharaha ilay taratasy (tsy manao accusé de reception akory). Amin’io trangan-javatra faharoa io dia mbola miandry 15 andro ny banky ka raha mbola tsy manao izay tokony hatao ilay olona dia ampiakarin’ny banky any amin’ny vadintany (huissier) ilay taratasy. Ity farany no miandraikitra ny fanomezana an’ilay taratasy mba ialana amin’ilay hoe tsy mahafantatra ilay olona raha sendra miakatra tribonaly ny raharaha.


 

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT