Dossier

Centre Malgache de la Canne et du Sucre - CIRAD Hiara-kiasa hampiromborobo ny voly fary


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Miroso avy hatrany amin’ny fijerena ifotony ireo toerana heverina fa afaka mamokatra fary eto Madagasikara ny Tale jeneraly vaovan’ny Centre Malgache de la Canne et du Sucre (CMCS), Rakotomalala Miharisoa, izay rantsana eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria.

Nandray ireo solontena avy amin’ny CIRAD (Centre de Coopération Internationale en Recherche Agronomique pour le Développement) avy any Montpellier-Frantsa ity tompon’andraikitra ity. Voaresaka tamin’izany ny hisian’ny fitsidihana ireo toeram-pambolena fary ao Nosy-Be Hell-Ville. Hojerena manokana ny fambolena ireo zana-pary hafa karazana any amin’ireo toerana voatokana izay hoentin’ireo vahiny avy any ivelany. Tanjona amin’izao fiaraha-miasan’ny CIRAD sy ny CMCS ao Nosy-Be izao ny hanatsarana ny voly fary eto Madagasikara mba hahazoana vokatra tsara sy azo aondrana mankany ivelany. Haparitaka amin’ny toerana maro ny voly fary manaraka ny kalitao sy ny fitakian’ny firenena hanondranana ny entana. Tanjona ny hamokaran’i Madagasikara siramamy ary hahaleotena ara-bokatra isika ary ho afaka manondrana amina firenena maro mila izany ka hanaraka ny kalitao izay tadiavina ny vokatra, hoy hatrany ny tale jeneraly Rakotomalala Miharisoa.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT