Tonga eto amintsika ny Tale mpanatanteraka eo anivon’ny“Centre Commercial International”, Rtoa Arancha Gonzalez.
Nomarihiny fa izany “Centre Commercial International“ izany dia rantsana iray ao anatin’ny firenena mikambana, izay miandraikitra ny fampiroboroboana ireo orinasa madinika sy salantsalany, ary vonona hanohanaan’I Madagasikara amin’ireo sehatra anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny governemanta Malagasy, ka tafiditra ao anatin’izany ny fandraharahàna , ny fampananana asa mendrika, ny tanora sy ny vehivavy, mba hahafahana mampandroso ny toe-karena.Marihana fa miantoka hatramin` ny 80% ny fiodinan` ny toekarena ny orinasa madinika sy salantsalany. Araka’izany, mila fanohanana tokoa ireo mpandraharaha Malagasy amin’ny fanomezana azy ireo sehatra amin’ireo vokatra vaovao natolotra , izay ahitana ny vokatra avy amin’ny sakafo, ny vokatra ara-tekonolojia, ny tolotra mahakasika ny dokam-barotra, ny fitarihan-dalàna. Tonga nitsidika ny praiministra Ntsay Christian ity tale mpanatanteraka ity ka niompan tamina sehatra fampivoarana maro ny dinika nifanaovany tamin’ny Lehiben’nygovernemanta teny Mahazoarivo omaly.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.