Dossier

CAN Egypte 2019 Sedra goavana ho an’ny baolina kitra Malagasy


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Sambany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra Malagasy hatramin’izay niforonan’ny federasiona nasionaliny tamin’ny 1961 sy naha mpikambana azy tao amin’ny FIFA « Federasiona Iraisam-piren’ny Baolina kitra maneran-tany »

 sy naha mpikambana azy tao amin’ny CAF « Kaonfederasiona Afrikanin’ny Baolina Kitra hatramin’ny taona 1963 no tafita hiatrika ny fifaninanana afrikanina CAN ny ekipam-pirenena Malagasy. Zava-dehibe ho an’ny mpilalao sy mpitantana baolina kitra Malagasy sy ny vahoaka Malagasy iray manontolo mihitsy izany. Tsy tongatonga ho azy ho antsika Malagasy ny nahazoantsika azy io. Inona no ho akony eo amin’ny hoavin’ny kitra Malagasy ? Fa ho fantarintsika eto amin’ity pejy manokan’ny Tia Tanindrazana anio alakamisy 07  martsa ity koa ny tantaran’ny fifaninanana CAN amin’ny ankapobeny ary hoezahina hovaliana koa ny vokatra entiny eo amin’ireo firenena mandray anjara aminy.



Ny nahatafitan’ny Barea hiatrika ny CAN

 

Tsy hisalasalana fa anisan’ny voalohany nitondra anjara birikiny tamin’ny fahatafitan’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra ankehitriny ireo mpilalao mandrafitra ny Barean’i Madagasikara notarihan’ny kapiteniny Faneva Ima izay nanam-piniavana sy hambom-po nokotrehany tao anatiny tao niaraka tamin’ireo namany vitsivitsy fa  tsy maintsy ho tafita amin’ny CAN isika. Izy rahateo na dia be mpanakiana ho efa nahazoazo taona aza sy manana fomba filalao miandry mahazo fotsiny any aloha any dia tena nankatoavin’ireo mpiara-milalao aminy sy nahay nitarika azy ireo ho an’ny firaisankina eo am-panatanterahana ny lalao natrehana.

Ny olona faharoa tsy azo hodian-tsy hita fa antony nahazoan’ny  Barea hiatrika ny CAN 2019 dia ny mpanazatra Nicolas Dupuis izay nanomboka nitondra an-tsitrapo an’ity ekipa ity nanomboka tamin’ny taona  2017  ka namondrona an’ireo mpilalao Malagasy mila ravinahitra any ivelany any sy nampifangaro an’izany tamin’ireo mpilalao avy eto an-toerana. Tamin’ny talata 05 martsa 2019 teo vao mba nisy fifanarahana vita sonia teo aminy sy ny mpitantana ny baolina kitra Malagasy ny amin’ny hitantanana marina an’ity Barea Malagasy ity.  Aminy dia mahatoky an’ireo mpilalao hofidiana handrafitra ny Barean’i Madagasikara hiatrika ny CAN Egypte 2019 izy ary miandrandra ny handrombaka ny amboaran’ny CAN toy ny mpandray anjara rehetra, farafaharatsiny tafita amin’ny dingana voalohany, hoy izy.

 


Ny fahatelo ary azo ambara fa ny lehibe indrindra nahatonga ny ekipam-pirenena Malagasy ho tafita amin’ny CAN izao dia ny filohan’ny CAF ankehitriny, Atoa Ahmad AHAMAD, fantantsika fa teratany Malagasy efa nitantana ela ny FMF ary nahazo kiana navesatra dia navesatra tokoa teto amintsika nefa nametrahan’ny Federasiona Afrikanin’ny baolina kitra maro fitokisana hitantana azy io nanomboka tamin’ny 16 martsa 2017. Izy no atidoha nametraka ny isan’ireo mpandray anjara amin’ny CAN hiakatra ho 24, izany hoe ny antsasaky ny firenena mpikambana ao amin’ity rafitra ity izay heverina fa tena nanampy ny Malagasy amin’izao fahatafitana amin’ny CAN 2019 izao.

 

Toy ny fifaninanana baolina kitra avo lenta rehetra maneran-tany dia
itony fifaninanana goavana itony no handrefesana voalohany ny
maha izy azy ny firenena iray eo amin’ny sehatry ny baolina kitra
oharina amin’ny firenen-drehetra maneran-tany. Hahazoan’ny mpilalao tsirairay avy manasongadin-tena ihany koa any amin’ny fifaninanana toy itony ary afaka hamaritra ny hoaviny eo amin’ny fiatrehana ny fiainana miaraka amin’ny baolina kitra. Farafaharatsiny mahazo traikefa matotra amin’ny fifaneraserana amin’ireo efa sangany
ny mpilalao Malagasy.  Ho an’ny firenena mandray an’itony
fifaninanana itony kosa dia betsaka ny tombontsoa azony eo amin’ny
fikarakarana fotodrafitrasa raitra mifandraika amin’ny fenitra
iraisam-pirenena sy ny mety ho firoboroboan’ny toekareny amin’ny
fandraisana vahiny tonga hijery baolina marobe any aminy.

Tantaran’ny CAN

Nandritra ny kongresy nataon’ny FIFA tany Lisbonne tamin’ny volana jona 1956 no namolavolana ny hamoronana ny fifaninanana CAN fa tamin’ny febroary 1957 no nanatanterahana voalohany ny fifaninanana tany Soudan ka ireo firenena 4 namorona ny CAF no nihaona tamin’izany. I Egypte no nandrombaka voalohany ny amboara rehefa nandresy 4-0 an’i Ethiopie teo amin’ny famaranana. Nanomboka tamin’ny taona 1968 tany Ethiopie dia isaky ny 2 taona no tanterahana ny fifaninanana CAN. I Cameroun no tompondaka tamin’ny andiany farany notontosaina tany Gabon rehefa nandresy an’i Egypte 2-1 teo amin’ny lalao famaranana. Ilay kintan’ny baolina kitra Cameroney Samuel Eto’o hatreto no  mpampidi-baolina be indrindra teo amin’ny tantaran’ny CAN fa nahatafiditra baolina 16 tamin’ny CAN 2008 natao tany Ghana. I Egypte no firenena nandrombaka in-7 an’ity amboara ity (1957, 1959, 1986, 1998, 2006, 2008, 2010).Amboara 3 no efa niadiana nifandimby teo amin’ity fifaninanana CAN ity dia ny Amboara Abdelaziz Abdallah Salem filohan’ny CAF voalohany izay lasan’í Ghana tanteraka tamin’ny 1978, ny Amboara Unité Africaine 1980-2000 lasan’i Cameroun. Ny amboaran’ny CAN faha-3 kosa dia nanomboka niadiana tamin’ny taona 2001 ary natao nitovy tamin’ny amboara eran-tany.


Ny CAN Egypte 2019

Noho ny fanafoanan’ny komity mpanatanteraky ny CAF tamin’ny 30
novambra  2018 ny handraisan’i Cameroun ny CAN 2019 noho ny tsy
fahatomombanan’ny fotodrafitrasa ilaina amin’izany dia i Egypte nanoloana an’i Afrika Atsimo indray no nofinidin’ny CAF handray ny CAN 2019 tamin’ny 08 janoary 2019 ny 15 jona-13 jolay 2019. Noho ny fangatahan’ireo firenena any Afrika Avaratra (Maroc, Tunisie sy
Algérie ) anefa hahazoan-dry zareo miatrika am-pitoniana ny
Ramadany dia nahemotra ho amin’ny 21 jona–jolay indray ny
fifaninanana. Ilay teratany Ejypsianina Mohamed Fadl no talen’ny
fifaninanana. Mijanona ho 29 andro ihany ny faharetany ka
nambaran’Atoa Hany Abo Rida filohan’ny EFA “Federasiona Ejypsianin’ny baolina kitra” fa tanàna 4 any Egypte no handray ny fifaninanana dia i Le Caire, Alexandrie, Isamaily ary Port-Saïd. Ho fantatra amin’ity volana martsa 2019 ity ireo ekipa iray vondrona (6 poules de 4) amin’ny fifaninanana aorian’ny antsapaka hatao.


Nanangon’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT