Nitohy tany Toamasina ny fankalazan’ny orinasa “Caisse d’Epargne de Madagascar” ny fankalazany ny faha-100 taona niho\renany .
Maro ny hetsika nomanin’ireo mpiasa nomena ny mpanjifa sy ny vahoaka ny faran’ny herinandro teo, ka misy ireo tolotra samy hafa manokana ho an’ireo mpanjifany izay tsy hifarana izany raha tsy ny 31 oktobra ho avy izao ao anatin’ny fankalazana ny andro eran-tany ho an’ny tahiry. Ao anatin’izao faha-100 taonan’ny CEM izao dia tsy adino ihany koa ireo mpiasa, ka ny zoma fiarafaran’ny tolakandro teo tao amin’ny efirano malalaky ny faritra atsinanana no natao ny lanonana fametrahana medaly ny asa ho an’ireo mpiasa nahavita be teo anivon’ny orinasa. Niisa 21 ireo notolorana ny medaly volafotsy raha niisa 2 kosa nahazo ny medaly alimo, izay ny minisitry ny asa Atoa Ramaholimasy Houlder no nametraka izany notronin’ny prefen’i Toamasina Atao Benandrasana Cyrille. “Tsy midika fahanterana izany izao faha-100 taonanay izao fa midika kosa fahamatorana amin’ny asa atao mba hanome ny tsara hatrany ho an’ny Malagasy sy ny mpanjifa”, hoy Atoa Andriamorazaka Niaina Lalaina lehiben’ny servisy ny tahiry eo anivon’ny CEM nisolo tena ny birao nasionaly. Ankilan’izay mikasika ireo tolotra manokana ho an’ny mpanjifa kosa dia nosokafana ny kaonty manokana ho an’ireo zaza teraka tamin’ity taona 2018 ankalazan’izy ireo ny faha-100 taonany ity, ka ho an’ireo ray aman-dreny manokatra kaonty ho an-janany teraka tamin’ity taona ity dia hisy ny “tombola” goavana ho azy ireo ho an’ireo tsara riziky ny fisarihana hatao ny 31 oktobra ho avy izao; toraka izany koa ireo olon-tsotra manokatra kaonty vaovao eo anivon’ireo masohivohin’ny CEM eto Toamasina. Ankoatra izay tao anatin’ny 100 taona nisian’ny CEM dia mahatratra 1.500.000 ireo mpikambana amin’izy ireo izao, izay misandrahaka amin’ireo masohivohony miisa 30 manerana ny nosy, ary sahanin’ny mpiasa miisa 500 .
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.