Ny toetr’andro ratsy no nolazaina ho nampihemotra ny fisidinan’ny Boeing 777X. Na izany aza dia nisidina ihany izy io ny sabotsy 25 janoary.
Sambany ny Boeing 777X no nanidina ary mbola fitsapana ihany izany. Manantena ny tompon’orinasa fa ho anisan’ny fiaramanidina ho lehibe indrindra sy matanjaka izy ity. Ankoatra izay dia afaka hiditra an-tsehatra izy amin'ny herintaona hanetsina ny fatiantoka nisy tamin’ny fampiasana ny Boeing 737 MAX. na izany aza efa maro sahady ny mpanara-baovaoa no manakiana ity fiaramanidina vaovao ity ary feno fanahiana sahady ny amin’ny mety hisian’ny tsy fahatomombanana ara-teknika.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.