Dossier

Birao manelanelana ny banky sy ny mpindram-bola Hiasa eto Madagasikara mandritra ny herintaona


  • Alatsinainy 21 Janoary 2019

Mbola ambony ny tahan’ny zana-bola sy ny saran’ny fahafahana mindram-bola amin’ny banky eto Madagasikara raha oharina amin’ny firenena hafa, hoy ny governoran’ny Banky foibe, Andriamatoa Alain Herve Rasolofondraibe.

 

Antony ny tsy fahazoana antoka amin’ny orinasa sy ny olona mindram-bola ary tsy fantatry ny mpandraharaha amin’ny sehatra fampindramam-bola ihany koa ireo antontan-kevitra  mahakasika ireo orinasa ampindramina vola ka izany no hakany antoka ambony be. Ho fanampiana ny banky amin’ny fampahafantarana ireo mpanjifa izay mikasa hindram-bola ao aminy ka hizotra amin’ny fanarahan-dalàna sy ny filaminana dia miasa eto Madagasikara mandritra ny herintaona ny biraon’ny fanelanelanana ny banky sy ny mpindram-bola ( BIC) manomboka izao. Mihena araka izany ny mety ho risika amin’ny fampindramam-bola ary hiteraka fanamorana amin’ny fampindramam-bola izao fanapahan-kevitra izao.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT