Dossier

Biogaz vita avy amin’ny tain’omby Azo avadika arina sy kitay fandrehitra


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Barika miisa 12, fantsona manodidina ny 50 metatra ary fatana natokana ho an’i Biogaz izay fitaovana mitentina 1 200 000 Ariary eo ho eo no ampiasaina hanamboarana ny biogas vita amin’ny tain’omby araka ny voka-pikarohana nataon’i Herimiarana Ricky. A

 

 

 

vy any amin’ny faritra Itasy distrikan’i Soavinandriana kaominina Mananasy fokontany Tsitakondaza ny tenany ary tanjona ny mba hahatakaran’ny sarababem-bahoaka ity Biogaz tsy manimba  tontolo iainana ity.  Nanambara ihany koa ny tenany fa hiezaka hamatsy ny fokontany misy azy sy ny manodidina ary hanitatra izany any amin’ny faritra maro samihafa. Raha mihoatra amin’ny arina dia mitovy ihany ny fotoana lany amin’ny fandrahoana sakafo amin’ny fampiasana ny Biogaz avy amin’ny tain’omby saingy tombony ny tsy fandotoana tanana sy vilany ankoatran’ny tsy fanimbana tontolo iainana.  Tsy mila kopahana tahaka ny saribao ihany koa ary tsy misy setroka ny fampiasana ity tain’omby  hamokarana angovo andrahoina sakafo ity. Tao anatin’ny 4 taona no nanaovana ny fikarohana nahazoana ny vokatra ary nofidiana manokana ny tain’omby amin’ny maha-tontolo ambanivohitra ny toerana sady tsy andoavam-bola ihany koa.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT