Rehefa efa somary nangingina ny resaka fananganana pylone hataona orinasa tsy miankina iray anaty tanàna tato ho ato dia niverina indray. Anisan’ny miaina izany ireo mponina ao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Bemasoandro, Distrikan’Antananarivo Atsimondrano.
Raha ny fanazavan’ny solontenan’ny mponina dia efa tamin’ny volana jolay taona 2018 izy ireo no niady mafy ny amin’ny tsy tokony hananganana ity pylone ity ao an-tanànany. Mahatratra telo mantsy raha kely ny sekoly manodidina ity toerana kasaina hametrahana pylone ity ka samy manahy ny amin’ny mety ho fiantraikany amin’ny fahasalaman-janany ireo ray aman-dreny rehetra. Narahin’ny fanatonan’izy ireo ny Ben’ny tanàna ao an-toerana sy ny fanangonan-tsonia ny mponina. Na izany aza dia nitohy hatrany ny asa ka nanao hetsika ny mponina ny 28 janoary lasa teo. Nanoloana ny tranon’ireo olon-tsotra manaiky ny hananganana pylone eo an-tokotaniny no nanatanterahan’izy ireo izany. Ireo tompon-trano anefa nilaza ho tsy naharay taratasy fampitsaharana ny asa avy amin’ny kaominina nefa ireo fokonolona ao an-toerana samy nahazo. Nangataka ny hihaona mivantana tamin’ireo tompon’andraikitry ny minisitera isan-tsokajiny sy ilay orinasa ny mponina ka ny sabotsy teo no nanatanterahana izany. Nitana ny heviny hatrany ny mponina fa tsy hanaiky ny fananganana ity pylone ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.