Tato ato dia tsikaritra hatrany ny fitsanganan’ny banky, indrindra ireo lehibe (primaire), manerana ny faritra Analamanga eny fa erak’i Madagasikara mihitsy.
Mifaninana mihitsy izy ireo manokatra masoivoho etsy sy eroa ary misy aza tena mifanakaiky tanteraka ny toerana. Mampanontany tena anefa ny mahita izany eto Madagasikara satria iaraha-mahalala fa vitsy dia vitsy satria 4%-n’ny Malagasy fotsiny no misehatra eny amin’ireny banky ireny. Eo ny fahasarotan’ny taratasy fa tsy takatry ny maro an’isa ihany koa ny zana-bola apetraka. Maro be ny mpamboly, ny mpandraharaha ny olon-tsotra mba te hanodim-bola fa tsy tafavoaka noho ny fidangan’ny zana-bola. Bankin’ny tantsaha no andrandraina satria ireo dia manome 80%-n’ny mponina Malagasy. Ny zava-misy anefa dia matahotra manatona ireny banky ireny ny Malagasy, indrindra ireo tantsaha noho izany lasa fifaninanana fotsiny amin’ireo samy banky voalohany no miseho eto kanefa tsy hita mipaka amin’ireo tantsaha izay tena mila vola ahodina hanohanana tetikasa. Mampametra-panontaniana ny zava-misy satria tena hitondra fampiroboroboana sy fandrosoana ara-toekarena ve ireny banky mitsangana maro ireny sa variana amin’ny fifaninanana fotsiny ka manenjika isa hatrany ?
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.