Fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa miaraka tamin’ny Banky iraisam-pirenena no natao omaly talata 26 martsa tetsy amin’ny minisiteran’ny fitantanam-bola Antaninarenina.
Anisan’izany ny tetikasa nasionaly momba ny fanamarinana ny taratasin-tany izay nanomezan’ny Banky Iraisam-pirenena 52 tapitrisa dolara hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fisitrahan’ny tokantrano sy ny orinasa ary ny ivontoeram-pitsaboana hahazo jiro ka nanomezan’izy ireo 150 tapitrisa dolara. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fanomezan’ny Banky iraisam-pirenena 90 tapitrisa dolara hanamafisana ireo tetikasa nasionaly amin’ny fiahiana ara-tsosialy izay tena mbola marefo eto Madagasikara. Nanambara Ramatoa Coralie Gevers misolotena ny Banky iraisam-pirenena fa zava-dehibe ary tena ilaina ny fanampiana an’i Madagasikara, indrindra amin’ny sehatra fambolena satria io no ifotoran’ny toekarena Malagasy. Miankina amin’io sehatra io mihitsy hoy izy ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Fifanarahana tantanan’ny fanjakana Malagasy moa ity natao omaly ity araka ny tatitry ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandranto ka ilana fahaiza-mitantana. Saika voakasik’ity fifanaovan-tsonia ity avokoa ny sehatra fambolena, ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny angovo ary ny toekarena sy ny fitantanam-bola.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.