Nihaona tamin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian teny Mahazoarivo omaly ny delegasiona avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena,
notarihin’Andriamatoa Jean Claude Tchatchouang, izay misolo tena firenena afrikana miisa 23 eo anivon’ity banky ity, ary anisan’izany i Madagasikara. Nambaran’ Atoa Jean Claude Tchatchouang fa noho ny maha-mpikambana ny firenena Malagasy ao anatin’ny Vondrona, dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa fakan-kevitra izay fanaony amin’ireo firenena soloiny tena izao fihaonana izao, ary izany dia mba hahazoana ny zotram-pitantanana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, mikasika ny fanohanana an’i Madagasikara. Voaresaka ihany koa ny fomba hanatsaràna ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta, izay ikatsahana indrindra ny haha-lavorary ny fiaraha-miasa efa misy.Mbola mitsapa ny halalin’ny rano aloha izany ny Banky iraisam-pirenena, manadihady ihany koa izay vao mety hiroso amin’ny fanampiana ara-bola; mazava ny resaka teny Mahazoarivo fa misy izany ny fanatsarana ny fomba fifampiresahana eo amin’ny fitondram-panjakana vaovao sy ny mpamatsy vola mahazatra, io ilay fomba firesaka ara-diplaomatika izay raha vantanina dia midika hoe mbola misy zavatra manjavozavo na mampiahiahy ny Banky iraisam-pirenena ka mila fanazavana aloha.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.