Dossier

Banky foiben’i Madagasikara Manao pi-maso amin’ny mpamatsy vola


  • Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny “conseil de ministre” farany teo ka nivoizana ny resaka “recapitalisation” an’ny banky foiben’i Madagasikara. Rehefa miresaka banky foibe anefa dia ny fanjakana avy hatrany no ao an-tsaina ka raha izany no misy dia ny maha-fanjakana mihitsy no mampametram-panontaniana hoe mbola afaka atao ve ny mifampiraharaha aminy (crédibilité).

 

 Rehefa miaina ao anatin’izany “recapitalisation” izany mantsy dia mety ho ambany kokoa ny fiheveran’ny olona sy ny firenena avy any ivelany ny amin’ny firenena mampihatra izany. Mampametram-panontaniana ihany hoe tsy misy sa tsy ampy renivola ve izany ny ao amin’ny banky foibe no mahatonga izany fanapahan-kevitra izany ? sa tsy ampy intsony ve ny vola vahiny ary tsy misy ihany koa ny fahefanan’ny banky foibe hanome fahafaham-po ny banky rehetra eo ambany fiahiany  amin’ny resaka famatsiana vola (émission de liquidités monétaires). Nanambara ihany koa anefa ny mpandalina toekarena iray fa fepetra anankiray ahafahana manome toky ary fanaovana pi-maso amin’ny mpiara-mombon’antoka sy ny mpamatsy vola vahiny ity fanapahan-kevitra ity. Te hampahafantatra amin’ny mpanmatsy vola araka izany ny  mpitondra fa mbola afaka mitantana tsara ary mandeha araka ny tokony ho izy ny vola rehetra mandalo ao amin’ny banky foiben’i Madagasikara.


Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT