Tsikaritra tato ho ato ny fitsanganan’ny banky, indrindra ireo lehibe (primaire), manerana ny faritra Analamanga, eny fa manerana an’i Madagasikara mihitsy.
Mifaninana izy ireo manokatra masoivoho etsy sy eroa ary misy aza tena mifanakaiky tanteraka ny toerana. Hitondra fampiroboroboana sy fandrosoana ara-toekarena ve ireny banky mitsangana maro ireny sa variana amin’ny fifaninanana fotsiny ka manenjika isa hatrany ? Tokony ho fototry ny fampiroboroboana ara-toekarena ary manome sary sahady ny tanjaky ny firenena iray ny Banky. Raha ny eto Madagasikara manokana, vitsy dia vitsy satria 5% n’ny Malagasy fotsiny ny misehatra eny amin’ireny banky ireny.
Famaritana ny Banky
Ny Banky dia orinasa misehatra eo amin’ny fikirakirana vola. Izy no mpanelanelana eo amin’ny olona manana vola hapetraka an-kilany sy ireo olona mila famatsiam-bola an-daniny.
Ireo tolotra misy ao amin’ny Banky
- Fanangonana tahiry (collecte d’épargne)
- Fandraisana petra-bola (dépôt)
- Fampindramam-bola (prêt)
- Fanakalozana (change)
- Fitantanana fitaovana fandoavam-bola toy ny karatra fisitonam-bola (carte bancaire) sy ny taratasim-bola (chèques) ary ny fandefasana vola (virement) izay mety ho Banky 2 mitovy (oh : BOA-BOA) na Banky 2 samy hafa mihitsy (BOA- BFV SG). Eo ihany ko ny fandefasana sy ny fandraisana vola avy any ivelany (transfert international)
- Fanaovana fandoavam-bola tahaka ny lettre de change, billet à ordre (moyens de paiement)
- mampifandray ny kaonty ao amin’ny banky sy ny kaonty anatin’ny finday (Mobile banking)
- Fiantohana (assurance)
Mpanjifa eny amin’ny Banky
Amin’ny maha maro ireo tolotra omen’ny Banky ireo dia misandrahaka ihany koa ny mpanjifany. Araka izany dia ahitana olon-tsotra, mpiasa tena (profession libérale) mpandraharaha, orinasa madinika sy salantsalany (Petites et Moyennes Entreprises) ary orinasa lehibe ny mpanjifan’ny Banky
Malaina mametraka vola any amin’ny Banky ny Malagasy
Maro no tsy mahalala akory ny antony tokony hametrahana vola eny amin’ny Banky noho ny tsy fahampian’ny fanentanana ka miteraka tsy fahatokisana. Ankoatra izay, olana ihany koa ny fahalafosan’ny sarany alain’ny banky amin’ireny tolotra fametraham-bola ataony ireny. Mampikaikaika ny maro ihany koa ny fombafomba sy ny taratasy atao eny amin’ireny masoivohon’ny Banky ireny ka mampiteraka fahalainana (complexité des procedures). Manginy fotsiny ny fahatahoran’ny ankabeazan’ny Malagasy miditra birao sy ny tsy fahaizana taratasy noho ny tsy fahafahana mamaky teny sy manoratra.
Ireo Banky manintona ny Malagasy araka ny filaharany
Source : Sondages & Statistiques Madagascar
Lafo loatra ny zana-bola alain’ny Banky amin’ny fampindramam-bola
Ny Banky Foibe no mametraka ny taha torolalana (taux directeur). 9,5 % amin’izao fotoana kanefa tsy maintsy maka tombony hatrany amin’ny 5 na 6% ny Banky mpampindram-bola. Araka izany dia tafakatra hatrany amin’ny 16 hatramin’ny 18% ny zana-bola alain’ny Banky miampy ireo sarana pitsopitsony. Mampihemotra ny maro izany zana-bola avo be izany ary na ireo mpandraharaha mpanjifa aza tsy sahy maka vola be satria raha lavalava ny famerenam-bola dia mainka mitombo be ny zanany.
Filaharana lavareny eny amin’ny Banky
Mahatofoka ny mpanjifa kanefa saika ahitana io tranga io avokoa ny Banky eto Madagasikara, indrindra rehefa fotoanan’ny fandraisan-karama. Ny fihitsohan’ny tambajotram-pifandraisana (connexion) hatrany no valin-teny ataon’ny tompon’andraikitra amin’ireny fa eo ihany koa ny tsy fahampian’ny mpiasa sy ny tsy fahampian’ny vola misy, indrindra eny amin’ireny fisitomam-bola GAB (Guichet Automatique de Banques) ireny. Misy fetrany ihany mantsy ny vola azo tazomina amin’ireny banky ireny kanefa rehefa lany ny vola dia taraiky ireny fiarabe (brinks) ireny vao tonga noho ny fitohanan’ny firakodia.
Ireo tranga mampanahy an’ireo mpandraharaha tompona Banky eto Madagasikara
Mety tsy hamerina ny vola nampindramina azy ny mpanjifa iray satria iaraha-mahalala fa tsy salama no sady tsy marim-pototra ny fandraharahana eto Madagasikara (Risque de crédit). Eo ihany koa ny fatiantoka mety ateraky ny tsena ara-bola tahaka ny taha sy ny fifanakalozana atao (Risque de marché). Loza ho an’ny Banky ihany koa raha tsy nanaraka tampoka tsy nahy amin’ireo fombafomba mahazatra ny mpiasa (procédures) tahaka ny fandefasana vola (virement) tsy fanahy iniana in-droa amina mpanjifa izay mateti-pitranga. Tsy manaiky anefa ny mpanjifa satria fahadisoana avy amin’ny Banky. Ny fandefasana vola (virement) tampoka any an-kafa na ny fihoaran’ny vola tokony homena ary ny fanafihan’ny jiolahy manginy fotsiny (Risque opérationnel). Misy ihany koa ny petra-bola tokony hananan’ny banky primaire isan’andro any amin’ny banky foibe ary raha tsy mahatratra io antontam-bola io ilay banky dia mety hikatona (risque de fallite): tranga nahazo ny Banky Indostrialy sy ara-barotry Madagasikara (BICM)
Banky sy toekarena
Tokony hiara-dalana hatrany ny Banky sy ny fampandrosoana ara-toekarena ka hitera-bokatsoa amin’ny fampandrosoana ny firenena . Ireo karazany Banky 2 misy dia ny banky foibe sy ny banky tsotra (primaire) dia samy afaka hanainga ny toekarena amin’ireo andraikiny raisiny.
· Banky tsotra
Ny banky tsotra no mamatsy vola ireo orinasa mba hampitomboana ny famokarana ataony sady hamatsy ireo tetikasany. Afaka manohana ny ankohonana amin’ny alalan’ny fampindramambola mba ividianana fiara na hanaovana trano koa izy ireo ka miteraka fanatsarana ny faripiainana.
· Banky foibe
Ny banky foibe no mandefa ny vola taratasy sy mamatsy (emission de liquidités monétaires) ary manome fahafaham-po ireo banky ara-barotra sady manara-maso ny baingam-bola mivezivezy (masse monétaire). Tokony hiantoka tanteraka ny famatsiana ara-toekarena amin’ny alalan’ny famoronam-bola (création monétaire) ataony ny Banky Foibe. Izy ihany koa no mamaritra ny politika ara-bola (politique monétaire) sy mandinika ny tsenan’ny vola (Marché financier) arakaraka ny tranga miseho ara-bola eto amin’ny firenena (appréciation ou dévaluation de la monnaie). Mbola miankina aminy ihany koa ny hamaritana ny zana-bola sy ny fifanakalozana ka tokony hijerena vahaolana manokana ny mahakasika ny mpandraharaha hahazoana tombony eto Madagasikara. Ny Banky foibe ihany koa no manara-maso akaiky ny fivoaran’ny fisondrotam-bidim-piaianana (taux d’inflation) ka mandray andraikitra avy hatrany sy miezaka manitsy sy mampidina izany.
Vahaolana ara-toekarena ny Banky raha toa ka…
Bankin’ny tantsaha no andrandraina satria ireo dia manome 80%-n’ny mponina Malagasy. Tsy manana banky misehatra amin’izany i Madagasikara kanefa izany no antoky ny fampandrosoana haingana sy maharitra. Sarotra ny miditra amin’ireo banky vahiny ireo nefa rehefa apetraka an-trano ny vola dia lasan’ny jiolahy. Tsy misy firenena mandroso tsy manana banky izany kanefa banky vahiny daholo no eto amintsika ka mila fandraisana andraikitra avy amin’ny fanjakana izany.
Nangonin’i Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.